Maro ny olona no nahita, satria voalohany dia efa betsaka ny mpiala sasatra izay tonga any an-toerana ary manaraka izany, ny alina ny olona no tena mivezivezy eo amin’ny « bord » ao Mahajanga. Ny fiheveran’ny olona azy, dia nifamaly tsotra ny lehilahy roa sy ny vehivavy iray. Zavatra hafa mihitsy anefa ny tantara izay nitranga sy ny anton’izany. Tokony ho tamin’ny folo ora alin’ny alatsinainy hifoha talata teo, raha mbola betsaka ny olona naka rivo-dranomasina sy nifamezivezy no nisy nihiaka tampoka. Rehefa nojerena, dia olona efa nitsirara tamin’ny tany ary nihoson-drà. Nezahana novonjena tany amin’ny toeram-pitsaboana ihany izy, fa tsy nisy hevitra intsony, nahazo ny fony ny antsy maranitra. Rehefa nandeha amin’izay ary ny fanadihadiana, dia fantatra fa ny lehilahy iray izay namono dia nilaza fa nahatratra ny sipany ho niaraka tamin’ilay lehilahy faharoa. Niezaka ny nandamina ilay lehilahy faharoa ary nanazava fa tsy miaraka velively izy roa, raha nisy aza izany dia efa taloha elabe tany. Tsy nahasakana an’itsy voalohany ny tsy namoaka antsy ary namono nahafaty anefa izany. Teo amin’ny fony sy ny feny no nifandimby nidiran’ilay zava-maranitra; izay nitarika ny fahafatesany. Nisy avy hatrany ny fanadihadiana nosokafana ary nosamborin’ny polisy ilay lehilahy nahavanon-doza sy ilay vehivavy sipany. Samy notanana ireo ary natolotra ny fampanoavana omaly, tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany Mahajanga.
D.R