- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversEntana lany daty : « Eny Isotry no fakàna azy amin’ny vidiny...

Entana lany daty : « Eny Isotry no fakàna azy amin’ny vidiny mora »

Lehilahy iray no voasambotry ny pôlisy ao amin’ny kaomisarian’Arivonimamo noho ny resaka fivarotana entana lany daty. Mpivarotra « biscuits » sy « chocolat » lany daty eny amoron-dalana ity lehilahy ity. Tamin’ny fanadihadiana natao azy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena, no nahafantarana fa eny amin’iny faritra Isotry iny izy no maka entana ary kosehiny amin’ny « dissolvant » ny soratra misy ny daty ahafahana mihinana ilay vokatra farany.

Miverina mitobaka indray amin’izao fotoana izao ireo entana lany daty amidy eny an-tsena. Ny tena loza dia mazàna mitondra aretina ho an’ny mpanjifa izany, indrindra fa ho an’ireo ankizy izay marefo ara-pahasalamana. Tany amin’iny faritra Arivonimamo iny mantsy, hoy hatrany ny loharanom-baovao dia maro ireo ankizy no tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana ireny tsakitsaky lany daty ireny. Nisy araka izany ny fanadihadiana manokana nataon’ny pôlisy mahakasika ity tranga ity. Tamin’izany no nahafantarana fa saika avy amin’ny lehilahy iray, 27 taona, mpivarotra entana mandehandeha any an-toerana no nividianan’ireo ankizy izany tsakitsaky izany. Nokarohina ity farany ka tra-tehaka ihany nony farany. « Rehefa nosavaina ireo entana namidiny dia tsy nahitana « date de péremption » intsony. Izany dia mba hahamora kokoa ny famarotany azy », hoy hatrany ny fanazavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici