- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Kaporaly miaramila am-perinasa tratra ambodiomby

Fanafihana mitam-piadiana eto Toamasina : Kaporaly miaramila am-perinasa tratra ambodiomby

Ny alarobia 07 aogositra teo tokony tamin’ny 06 ora sy sasany hariva dia ramatoa iray avy nivarotra nitondra ny vola matiny amin’ny varotra ataony namonjy fodiana, no notafihan’ireto andian-jiolahy roa nanao taingin-droa tamina moto nitondra basy PA. Teo am-pisaritahana ilay ramatoa mpivarotra izy ireo no tsikaritry ny olona manodidina, ka raikitra avy hatrany ny fitsaram-bahoaka raha iny nikasa hitifitra tsy naha-poaka basy iny ireto andian-jiolahy.

Ny iray no avy hatrany dia niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny namany kosa afa-nandositra raha vao nitranga ny sakoroka. Tsy lasa kosa ny volan’ilay ramatoa mpivarotra. Vao naharay antso amin’ny fisian’ity fikasana hanao fanafihana mitam-basy ny polisy dia tonga avy hatrany, ka mbola tao anatin’ny fitsaram-bahoaka mihitsy ireo fokonolona no tonga ny polisim-pirenena. Tratra tamin’ilay jiolahy ny basy PA sy ny bala “22 long Rifles” miisa 08. Raha natao ny fanadihadiana dia teo no nivoaka fa miaramila am-perinasa ao amin’ny 1/RM3 eto Toamasina ity tratra ambodiomby nanafika sy nitondra basy ity, izay antsoina hoe Florent, ary nolazainy fa Jean Claude ny anarany tamin’ny fahatrarana azy. Raha natao ny fisavana ny tranony izay eo anivon’ny toby 1/RM3 Analakininina Hopitaly be, dia nahitana “badge” an’ny polisy iray, sy moto an’ilay polisy ihany koa, izay notafihan’izy ireo iray volana lasa izany raha namonjy fodiana tamin’izay. Raha ny fanazavana azo ihany koa dia nandainga tamin’ny lehibeny ity kaporaly miaramila ity ny alarobia hariva nanaovany fanafihana, izay fotoana niasany tao amin’ny 1/RM3 nanao fiandrasan-draharaha fa hoe marary ny zanany. Ny tsy fahatongavany niatrika ny famondronana isa-maraina ny tafika no nahagaga ny lehibeny, ka izao izy nampangain’ny heloka vitany izao.

Mazava izao, hoy ny polisy, fa ny fanafihana nampiasa basy sy bala na “22 L.R” teto Toamasina dia izy ireo avokoa no nanao azy, ka isan’izany ireo nitranga tao Anjoma tamin’ny fanafihana ny volan’ny tobin-tsolika Jovenna, sy ilay niseho tao amin’ny tranon’ny Me Tody Arnaud, ary ny tao amin’ny Dr Ndahimananjara Johanita farany teo ireny. Miatrika ny fakana am-bavany azy ity kaporaly miaramila mpanao fanafihana mitam-piadiana ity amin’izao, ka hiakatra fitsarana ny herinandro ho avy io.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici