Niantso mpanao gazety tao amin’ny lapan’ny faritra atsinanana ny sabotsy maraina teo, nanazavan’izy ireo ny zavatra nisy nahatonga ilay sakoroka tao Ambolomadinika, ny zoma alina izay mbola nitohy ny sabotsy sy ny alahady manontolo, ny OMC, notarihan’ny prefen’i Toamasina Benandrsana Cyrille sy ny tonia mpampanoa lalana Rajaonah Lauret Thierry ary ireo lehiben’ny mpitandro ny filaminana eto Toamasina.
Niaiky ny zandary sy ny tonia mpampanoa lalana fa nisy izany tovovavy mpiasa mpanampy, tonga teny amin’ny vondrom-pileovan’ny zandary atsinanana nilaza ny zavatra hitany sy zavatra niainany tao amin’ity trano tao Ambolomadinika ity ny zoma tolakandro tamin’ny 03 ora tany ho any. Io tovovavy mpiasa mpanampy io no nilaza ny fahitany ilay taovan’olona sy lohan’olona tao amin’ny trano fidiovana nidirany, ka ny fanatonana zandary nilazany ny zava-nisy sy ho fiarovany ny ainy no nataony. Io resaka io koa anefa no niely tany amin’ny fiaraha-monina tao Ambolomadinika sy Morarano ka nahatonga ilay sakoroka sy savorovoro, ary niteraka fahasimban’ny fiaran’ny polisy miisa telo sy polisy iray naratran’ny tora-bato ary poa-basy tifi-danitra marobe ny alina tontolo nanaparihana ireo fokonolona.
Naka ny taratasy tamin’ny fampanoavana hisava ny trano noho io fitarainan’ilay mpiasa mpanampy io ny zandary, nefa raha nisava ny trano noho ilay filazan’ilay mpiasa mpanampy ny zandary dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy basim-borina telo, raha ny fanazavana azo. Tsy afa-po tamin’izany anefa ny fokonolona mihaihay ny zava-misy ka mitaky ny hisisika hiditra hanamarina ny fisiany sy ny tsy fisian’ilay resaka taovan’olona, saingy nanao ny asany rehetra ny mpitandro ny filaminana nanakana izany ka tsy tafiditra ny fokonolona. Olona roa no nohazonina anaovana fakana am-bavany raha ny fanazavana azo. Ny antony dia noho izy ireo nandoro kodiarana teo afovoan’ny arabe ka ny fanakorontanana fiaraha-monina no manenjika azy ireo. Ilay mpanampy vavy nitaraina ny zavatra hitany kosa tsy fantatra hatreto ny misy azy, toraka izany koa ilay ramatoabe sy ilay dokotera mpanofa trano.
Nanamafy ny tonia mpampanoa lalana Rajaonah Thierry Lauret sy ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille, fa misokatra ny fanadihadiana mikasika ny raharaha, satria matoa misy ny setroka mivoaka dia nisy namoaka azy tao izay. Raha mitombina kosa ny mety ho fahamarinan’ny zava-nitranga dia tsy maintsy handray ny fepetra misahana izany ny fitsarana, saingy mangataka fitoniana amin’ny rehetra ny OMC atsinanana satria tsy hisy ny fahitana ny fahamarinana ao anatin’ny savorovoro sy ny sakoroka misy amin’izao.
Malala Didier
Tsy filaminana eto Toamasina
“Ny aza voany ihany”, hoy ny talahon’ny vahoaka
Vavaka tokana no tsy miala eo am-bavan’ny vahoaka eto Toamasina amin’izao tsy fisian’ny filaminana na andro na alina izao dia ny hoe “ny aza mba voany ihany”. Saika isan’andro mantsy dia mitaitain-dava tsy an-trano tsy an-dalana ny ankamaroan’ny olona. Ny asan-jiolahy sasany efa tsy hay intsony na valifaty na halatra tsotra. Tsy mpisolovava, tsy mpanao politika, tsy mpanam-bola, tsy karana, fa hatramin’ny mpanao gazety dia iharany ihany koa. Tovolahy iray zanaka mpanao gazety hamonjy fodiana teny Analakininina hopitaly be no noravain’ny andian-jiolahy izay tena mbola tanora tokoa. Antsy sy sabatra no nampiasain’ireto andian-jiolahy mbola tanora ireto, ka raha tsy voatanany ny lelan’antsy teny amin’ireo jiolahy dia niditra ny kibony izany. Saika niala mihitsy ny ilan’ny felatanan’ity tovolahy zanaka mpanao gazety ity nandritra izany, nefa finday sy ny moto nentin’ity tovolahy ity no nalain’izy ireo, ary mbola voarahona hoe “aiza ny dadan’ialahy mpanao gazety iny, miseho mafy mantsy lery iny, ary tsy misy atahoranay azy mihitsy”, hoy ireo andian-jiolahy enina. Midika izany fa hain’ireo andian-jiolahy eto Toamasina koa ny mpanao gazety ka lasa mandry andrin’antsy ny fianakaviany noho izany amin’izao. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha raha ny fanazavana azo.
Malala Didier