- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Lefitry ny Sefo fokontany nitazona basy mahery vaika

Ambatofinandrahana : Lefitry ny Sefo fokontany nitazona basy mahery vaika

Basy Mas36 iray no tra-tehaka teny amina Lefitry ny Sefo fokontany iray tao amin’ny kaominina Fenoarivo, distrika Ambatofinandrahana ny zoma lasa teo. Basy mahery vaika, izay marihana fa tsy azon’ny olon-tsotra tazomina ity nalaina teny am-pelan-tanan’ity tompon’andraikitra ity, araka ny fanazavana azo. Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahafahan’ireo zandary namantatra izany. Nisy avy hatrany ny fidinana tany amin’io fokontany ary rehefa natao ny fisavàna dia hita tao tokoa ilay basy, izay mbola niaraka tamin’ny bala roa. Nogiazana avy hatrany ity fitavaom-piadiana ary efa natao fanadihadiana ilay olona nahatratrarana azy.

Fa ankoatr’izay, ny sabotsy lasa teo dia mbola nisy basy Mas36 hafa ihany koa saron’ny zandary teny amina lehilahy iray izay voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo, tao Ambalamanakana, distrika Ambositra. Faritra iray isan’ny malaza amin’ny resaka tsy fandriampahelamana ity toerana ity, indrindra ho an’ireo mpindrana iny lalam-pirenena fahafito iny, hany ka raha vao nahare vaovao mahakasika ny fisiana olona mitazona basy mahery vaika ireo zandary dia nirohotra avy hatrany, nidina tany an-toerana. Nogiazana ihany koa moa ity fitavaom-piadiana ity ary nentina natao famotorana ilay olon-dratsy. Marihana fa basy mahery vaika dimy amin’ity izay no azon’ny zandary teny am-pelan-tanan’ireo olon-dratsy tato anatin’ny telo herinandro monja izay. Mbola mitohy kosa ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana any an-toerana ary manentana hatrany ny fokonolona ireo mpitandro filaminana mba hiara-hisalahy amin’izy ireo amin’izany ady izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici