- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Trano fanamboarana basy saron’ny zandary

Betroka : Trano fanamboarana basy saron’ny zandary

Ireo basy tsy ara-dalàna sy fitaovana fanamboarana izany sarona tao Isoanala Betroka

Anisan’ny olana iray mbola mampanjaka ny asan-dahalo amin’izao dia ny fisian’ireo olona mpamatsy fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy. Anisan’izany ity tra-tehaka tany Isoanala, distrika Betroka iny. Nalaza tany amin’iny faritra iny mantsy ny fisian’izany olona atao hoe Rata izany, izay manana orinasa kely fanamboarana basy mihitsy sy mivarotra izany amin’ireo dahalo any an-toerana. Rehefa nataon’ireo mpitandro filaminana ny fanadihadiana dia fantatra fa ao amin’izany tanan’Ankoraoky, fokontany Lavalila, kaominina Isoanala izany ity olona ity no monina ary ao ihany koa ny trano fanamboarany fitaoavam-piadiana.

Nidina tany an-toerana avy  hatrany ny zandary ny faran’ny herinandro teo, ka tra-tehaka tao tokoa ity toerana fanamboarana fitaovam-piadiana ity, saingy tsy tratra teo an-toerana ilay tompony. Ny rahalahiny no nijanona araka ny fampitam-baovao azo, ary nentina natao famotorana avy hatrany. Sarona tao amin’ilay toerana kosa ny basy anakitelo efa vita rafitra : ny iray amin’izany no vita tao amin’ilay toerana, ny roa kosa dia basim-borona tsy nisy taratasy izay nilàna fanamboarana angamba. Nisy basy roa kosa mbola eo an-dalam-pandrafetana hoy hatrany ny vaovao. Ambonin’izay moa dia nogiazana avokoa ireo fitaovana harifomba, fanamboaran’ity rangahy ity ireo fitaovam-piadiana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana hikarohana ity lehilahy antsoina hoe Rata ity any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici