- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilÀ lireHalatra publiphone: Mpiasan’ny Telma telo nosamborina

Halatra publiphone: Mpiasan’ny Telma telo nosamborina

Manana “ordre de mission” izy ireo ary manao ireny fanamian’ny (combinaison) mpiasan’ny Telma handeha hiasa eny amin’ny arabe ireny. Tsy nisalasala izy ireo manatona ny lehiben’ny fokontany mampahafantatra fa hisy ny asa hataon’izy ireo ao amin’ny tanàna hiadidiany. Saingy izany fahamalinana izany indray tamin’ity indray mitoraka ity no nampivadika ny rasa ka nahasarona ny lalao maloto nataon’ireo mpiasan’ny Telma ireto. Tsy natoky ilay taratasy manome alàlana avy amin’ny Telma mantsy ilay lehiben’ny fokontany ka niantso ny pôlisy misahana ny boriborintany fahafito. Ireto farany dia nitazona avy hatrany azy telolahy. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana ny marina. Tena mpiasan’ny Telma tokoa ireo mpangalatra ary manana karatra manamarina an’izany. Rehefa nitohy anefa ny fanontaniana sesilany dia nanamarina ihany ireo fa sandoka ny taratasy ampiasainy amin’ny asa. Izany dia mba hahafahany manao ny asaratsy dia ny fangalarana ireny “publiphone” ireny izany. Eto an-drenivohitra sy any Ivato no tena fanatontosan’izy ireo ny halatra. Efa marobe no vitan’ity andian’olon-dratsy ity, raha araka ny fanamarinan’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito (67ha) hatrany. Amidin’izy ireo 150.000 ariary ny iray amin’izany. Saofera eo anivon’ny Telma ny iray ary mpiasa tsotra ny roa. Ny tena mahatalanjona dia amin’ny fitaovan’ny Telma ihany no handroban’izy ireo ny fananan’ny orinasa hiasany. Iza no mpandray ireo entana? Heverina fa tokony hitatra amin’izay ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana mba hahafantarana ny tena ao ambadik’ity halatra publiphone ity. Hatrizay dia ireny fitaovana ireny foana no lasibatra na milamina ny tany na tsy milamina. Raha milamina ny tany dia misy mangalatra azy ireo. Rehefa tsy milamina indray dia izy ireny no potehina voalohany. Vokany, tsy misy azo ampiasaina intsony ny ankamaroan’ny publiphone eto amintsika. Marina fa efa tranainy ihany izy ireny manoloana ny fahatongavan’ny finday. Na izany aza anefa mba misy ilàna ireny karazana fitaovana ireny ihany, na dia mba hiantsoana polisy sy mpamonjy voina aza rehefa tena mitranga ny tokoa, eo amin’ny toerana manodidina azy.

 

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser