- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Tambajotra mpangalatra « sprinter » ravan’ny zandary

Ambohidratrimo : Tambajotra mpangalatra « sprinter » ravan’ny zandary

Fito mianadahy izy ireo no voarohirohy tamin’ity halatra « sprinter » ity.

Enina mianadahy izy ireo no nosamborina teny amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Tao ireo « mecanicien » mpandrava fotsiny ny pitsopitsony rehetra tamin’ny fiara, tao ireo saika nividy izany ary tao ireo olona tompon’ny tanana nanafenana ilay fiara. Tany amin’iny faritra Ankazobe iny kosa no voasambotra ny atidoha nikotrika ilay fangalarana fiara, izay nitranga tetsy Ambohimangakely ny voalohandohan’ny volana teo.

Fiara « sprinter » nipetraka tao anaty « garage » tetsy Ikianja Ambohimangakely no mbola nahitan’ireto mpangalatra hirika ny hitondrana azy. Araka ny fampitam-baovao azo dia nalain’izy ireo am-pitaka ilay fiara ary nofitahin’izy ireo ny mpiambina izany garazy izany fa hoe hitondràna marary maika dia maika ilay fiara. Raha ny fantatra dia efa nisy olona hafa noahiahiana tamin’ity resaka halatra fiara ity efa voasambotra talohan’ireto fito mianadahy ireto. Efa nadoboka avy hatrany tany Tsiafahy ity farany. Nanome didy ny mba hikarohana ireo namany hafa sy hanohizana ny fanadihadiana kosa ny tribonaly taorian’izay. Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nahazo vaovao ny zandary fa toa hoe mipetraka sy nisy nahita teny Ambohidratrimo ilay fiara very. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireto mpitandro filaminana ka tratra tao anaty tanan’olona tokoa ity fiara halatra ity. Efa teo am-pamiravirana tanteraka izany fiara izany ireo olona tao anatiny. Noeritretin’izy ireo hovahana tsikelikely sy amidy amin’ny pitsopitsony mantsy ilay fiara ary efa nisy vonona hividy mihitsy ny « carrosserie ». Avy hatrany dia nosamborina ireto farany ary nentina natao famotorana. Tamin’izany no nahalalàna fa any Ankazobe ny tena tompon’antoka tamin’ilay halatra. Nidina tany ny zandary ary nosamborina ihany koa ilehio. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ity tambajotra mpangalatra fiara ity ka nahazo fahafahana vonjimaika ny vehivavy, isan’ny voarohirohy tamin’izy ireo raha nadoboka avy hatrany any am-ponja kosa ireo namany hafa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici