Saika handehe hanafika sy haka an-keriny ireto andian-dahalo, teo amin’ny fito lahy teo no nifanehatra tamin’ny fokonolona, izay niaro tena. Raikitra ny fifandonana ka ny telo tamin’ireo dahalo no maty, afa-nitsoaka kosa ireo namany efatra.
Ny faran’ny herinandro lasa teo no nitranga ity tao amin’ny Amberomena, fokontany Irotsoka, distrika Betroka. Ny zava-nitranga : olona vitsivitsy saika haka satrana hanamboarana tsihy no nifanehatra tamin’ny andian’olona mampiahiahy, nafenin’ireto bozaka lava. Raha vao nahita ireto olona ireto ireo andian-dahalo dia nitranga avy hatrany ary nandrahona ireto farany tamin’ny basy teny am-pelatanan’izy ireo tsirairay avy. Fantatra teo ihany koa fa nikasa hanafika tanana mihitsy izy ireo ary hisambotra izay olona sendra azy ataony takalon’aina. Mbola somary nifanalavitra ny toerana ka afa-nitsoaka sy niantso vonjy ireo olona saika hanamboatra tsihy. Vatan-dehilahy maromaro no nitsena ireto mpanafika. Nitifitra avy hatrany izy ireo ary tsy nanaiky lembenana ihany koa ireo fokonolona fa dia niaro tena hatramin’ny farany. Tsy vakin’ireto andian-dahalo izany fiarovan-tena izany, ary nisy mihitsy aza moa ny lavo tamin’ireo mpanafika. Hany herin’ireto farany nirifatra nitsoaka. Latsaka teny am-pelatanan’izy ireo ihany koa ny basy « double canon » nampiasan’ireto malaso ireto. Raha ny fantatra moa, araka ny vaovao azo hatrany dia manao ny fampianarana mikasika ny Fiarovan-tenam-pokonolona indray mandeha isan-kerinandro ho fampianarana ireo tambanivohitra hiaro tena sy ny fananany ny tompon’andraikitra. Nahay nampihatra lesona araka izany ireto fokonolona ka izao nahazoana vokatra izao. Anjaran’ireo mpitandro filaminana indray moa ny manao fanadihadiana sy mikaroka ireo efa-dahy tafatsoaka.
m.L