
Mafampana indray ny raharaha amin’ny resaka ady tany ao Imeritsiatosika ao. Tany aman-jatony hektara izay hifanolanan’ireo mponina, voalaza fa efa nitrandraka sy nanajary izany amam-polon-taonany maro, amina orinasa iray any an-toerana, milaza ihany koa fa manana taratasy ara-dalàna maha azy ireo ilay tany ka tonga haka izany.
Omaly atoandro, raikitra ny sakoroka teo amin’ny roa tonta. Vokany, vehivavy lehibe iray no fantatra araka ny loharanom-baovao avy any an-toeran, fa naratra. Tokony ho tamin’ny iraika ambin’ny folo atoandro tany ho any no nigadona teo amin’ilay toerana hifanolanana ireto andian’olona avy amin’ilay orinasa, izay narahana vadin-tany sy mpitandro filaminana. « Niaraka tamin’ny fitaovana sy fiarabe izy ireo ary avy hatrany dia nanatsotsatoka hazo sy nandavadavaka lakan-drano» hoy hatrany ity loharanom-baovao ity. Tsy nanaiky hatramin’ny farany moa ireo fokonolona satria voalaza fa « nisy fifanarahana natao ny tsy hikasihana ilay tany ary tsy nanaja izany ilay orinasa fa io tonga io indray ». Tetsy andanin’izay dia nidrikina ihany koa ny andaniny satria hoe fanatanterahana didy no nataon’izy ireo matoa miaraka amin’ny vadin-tany. Raikitra teo ny savorovoro. Tao anatin’izany, araka ity loharanom-baovao ity hatrany izay isan’ireo mponina any an-toerana ihany moa, dia nisy vehivavy lehibe iray, sahabo ho eo amin’ny 50 taona teo ho eo no torana tsy nahatsiaro rehefa voalaza fa hoe niharan’ny herisetra avy tamin’ireo mpitandro filaminana.
Nanazava ny tompon’andraikitry ny zandary, raha natsoina an-tariby omaly hariva, ny Kaomandin’ny vondron-tobi-paritra Arivonimamo fa « araka ny tatitra voarainy dia sarisarintsary fotsiny no nataon’io ramatoa io. Satria hoe manao mody torana sy mody mianjera any an-tatatra izy ka rehefa tsy nisy nanatona ny olona dia nitsangana ho azy tao ». Nanazava moa ity manamboninahitra ity fa nisy tokoa izay savorovoro izay saingy voafehy sy voalamina ihany. Marihana fa teo anatrehan’ity savorovoro ity dia nisy mihitsy ny fidinan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ao anivon’ny OMC, tarihin’ny Lehiben’ny faritra Itasy. « Efa fanintelony amin’izao ny OMC no nidina tany an-toerana tamin’ity taona ity nikaro-baholana mahakasika io resaka ady tany io ». Ny farany nandehanan’ireto tompon’andraikitra tany dia fantatra fa nisy ny famoriana ireo lohandohan’ny mpisorona izay mifanolana amin’io tany io : ireo solon-tenam-pokonolona sy ireo tompon’andraikitra ao amin’ilay orinasa. « Tsy nahitam-bokany anefa izany tamin’izay fotoana izay ary nilaza ny solom-bavam-bahoaka voafidy tany amin’iny distrika iny fa hitondra ny raharaha any amin’ny Filoham-panjakana mihitsy ». Ho hita eo araka izany ny tohiny fa raha ny any an-toerana aloha, raha ny omaly hariva, araka ny fanazavàna azo hatrany dia « efa azo lazaina fa milamina ny toe-draharaha na izany aza dia mbola nametrahana mpitandro filaminana ihany aza ».
m.L