- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy mamo nitsoraka tamin’ny fiara

Antsirabe : Lehilahy mamo nitsoraka tamin’ny fiara

Voatery naiditra hopitaly ity rangahy iray noho ny ratra nahazo azy rehefa nitsoraka tamina fiara iray teo ampovoan’ny arabe, tao Antsoantany, ny harivan’ny alahady teo.

Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva teo, angamba te-hanapitra ny androny ity lehilahy fa dia tsy nisalasala ranamana nitsoraka tamina fiara mandeha. Marihana fa efa mamon’ny taoka ity lehilahy ity ka asa raha tsy mahazaka ny fiainana izy na antony hafa mihitsy, fa dia toy ireny olona nikasa hamono tena ireny ny fahitan’ny olona azy. Mafy ny dona nahazo azy, porofon’izany ny fahavakisan’ny fitatr’ilay fiara. Soa aloha fa avotra soamantsara ny ainy ary fantatra fa efa nivoaka ny hopitaly ny alahady teo ity mamon’ny taoka ity.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser