Raha lanonana no nokasain’ireo fianakaviana natrehana tao Miandrarivo, Tsiroanomandidy, vono olona kosa namarana izany. Tovolahy iray mantsy no hita faty tao anaty rà mandriaka. Feno dian’antsy ny vatany ary voakapa famaky ny lohany. Ny talata alina lasa teo no nitragan’izany tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io, tao anaty lanonam-panambadiana iray tao an-toerana. Olona sendra nivoaka no nahita ny razana ary nampandre ny rehetra. Nantsoina ihany koa ny zandary tao anatin’izany seho mampihoron-koditra izany. Tamin’izany no nahafantarana, fa dian’antsy maromaro no niantefa teny amin’ny tongony, ny lamosiny ary ny fony. Diana famaky kosa no nanasaraka ny karan-dohany sy teo amin’ny orony. Raha ny fantatra, dia isan’ireo olona namonjy ity lanonana ity io tovolahy io, saingy tsy fantatra teo ho no eo kosa ny mombamomba azy. Niroso avy hatrany anefa teo ny fanadihadiana ka voalaza, fa hoe jiolahy rain-dahiny fantatry ny rehetra teo an-tanàna tamin’ny asa ratsiny ity lehilahy ity. Efa nosamborina ihany koa izy, efa-taona lasa izay, saingy tafaporitsaka niaraka tamin’ny rojovy teny an-tanany ary dia izao hita faty izao.
m.L