- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Famonoana mpampianatra, olona telo voasambotra

Ambohidratrimo : Famonoana mpampianatra, olona telo voasambotra

Fantatra izao fa olona telo no nosamborin’ny zandary noho ny famonoana ilay mpampianatra efa nisotro ronona teny Ambohidratrimo tamin’ny alakamisy lasa teo. Tsy niandry ela ireo mpitandro filaminana fa avy hatrany dia niroso tamin’ny fanadihadiana azy ireo. Voalaza fa samy niaiky ry zalahy fa nanao ny heloka. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tonga handroba izy ireo, ary vola no notadiaviny. Tsy nisy izany anefa tao amain’ilay trano tamin’io alina io. Fantatra moa fa mpandrafitra tao ihany izy telo voasambotra ireo. Anio no hatolotra ny fampanoavana izy ireo.

Raha tsiahivina fohy, tonga ireo bandy ireo ny alina voalaza ary dia niharan’ny vono ilay rangahy lehibe. Tsy mbola fantatra mao na nasainy nilaza ny toerana nisy ny vola na ahoana. Rehefa hitany fa maty dia nariany tao anaty lavaka mirefy hatrany amin’ny 15m. Rehefa izany dia nototofan’ireto olon-dratsy tany teo ambony. Saika hatao lavadrano io nanariany azy io.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser