Efa ho herin-taona no nisehoan’ny tantara fa izao ilay tovovavy vao sahy niseho masoandro noho ny henatra. Itony seha-pifandraisana itony no niatombohan’ny tantara, ilay mifanoratra amin’ny alalan’ny resaka an-tsoratra ka lasa mpinamana. Nony avy eo dia lasa mpinamana ary mifankahita matetika. Nandeha teny ny volana maromaro ka niteny tamin’ity tovovavy hojonoina ilay nangataka ho namana fa ho avy ny tsingerin-taona nahaterahany ka manasa azy izy mba ho avy hiara-hisotrosotro sy hikorana. Natao ary ny fotoana ary tonga tokoa ity tovovavy nasaina, izay tsy nanampo na inona na inona. Mipetraka etsy amin’ny 67 ha moa ity farany ka tsy dia lavitra loatra, andro antoandro rahateo ilay lazaina fa fety.
Tonga tao amin’ilay trano tokoa ary ity voaasa ary somary gaga fa izy 2 irey no tao an-trno, efa niandry tao moa ny tsakitsaky sy ny ranom-boakazo ary nisy ihany koa ny zava-pisotro misy alikaola.
Tsy nety nandray anjara tamin’ny fisotroana ity zava-pisotro mahamamo moa ilay tovovavy, saingy tsy naharesy doika an’ity tompom-pety ka dia nandray kely. Teo no nanomboka niseho ny olana satria izay no tadidin’ity tovovavy farany dia natory tsy nahatsiaro tena izy. Ny ampitso maraina vao taitra ary savolainabe ihany. Vao taitra moa ity tovovavy dia gaga sy talanjona fa izy irery sisa no tao an-trano. Tamin’izany no nahazoan’ity tovovavy 20 taona mahery kely ny zanany ary nateraka soaman-tara ilay zazakely. Rehefa natao moa ny fanadihadiana dia nitaraina tamin’ny tompon’ilay trano ilay tovovavy sy ny havany ka nitady ilay mpanofa ny trano. Teo vao nahatsikaritra izy ireo fa efa olona 4 izao ny voa tahaka izao ka raha vao mampiditra vehivavy ao an-trano ilay tovovavy dia misy olona mpanambola izay tonga manao ny filany amin’ilay olona matory tsy mahare izay ambonin’ny tany. Efa novonoiny avokoa moa izay mety ahafantarana azy rehetra tao anaty “face book”.
Hoentina hanentanana ny tanora mba tsy ho taitaitra manoloana ny mety ho resaka mandeha ka ho tafalatsaka ao anatin’ny fandrika. Efa eny amin’ny manam-pahefana moa ny raharaha amin’izao fotoana izao ka hoentina hikarohana ity tovovavy mpivarotra olona ity .
ALEM