Eo anatrehan’ny asan-jiolahy isan-karazany, misy ny sahy manao vy very ny ainy miaro ny fananany
Ny alin’ny alahady, tokony ho tamin’ny misasakalina, tonga hanafika tao amina trano iray ny andian-jiolahy tsy fantatra isa. Raha vao tonga ireo olon-dratsy dia nopotehany ny savilin’ny varavarana ary tafiditra ny iray. Henon’ny tompon’ny trano anefa izany zavatra izany. Marihina, hoy ny vaovao, fa tsy nirehitra ny jiro tamin’io fotoana io. Tsy natahotra ireo tao an-trano fa sahy nifanandrina tamin’ilay tafiditra ary raikitra ny ady. Voalazan’ny vaovao fa tsy nahatohitra ireo tao an-trano ilay jiolahy tafiditra. Teo anatrehan’izany, nitifitra tao anaty maizina tao ilay bandy. Tamin’izay no nahavao vehivavy iray tokony ho eo amin’ny 21 taona eo. Niantefan’ny bala teny amin’ny fe sy teo ambany nonony havia. Naratra mafy tokoa izy tamin’izany. Raha vao nahamarika ireo mpandroba fa sahy nifanandrina taminy ireo notafihanay dia vaky tady nandositra ry zalahy. Tetsy an-daniny, hoy hatrany vaovao, efa taitra avokoa ny manodidina ary nisy ny olona nanomboka nivoaka. Tsy nisy tratra intsony ireo jiolahy. Tsy mbola nahazo na inona na inona izy ireo.
Ho an’ilay vehivavy voatifitra, nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy, hoy hatrany ny vaovao. Mila fandidiana maika izy noho ireo ratra nahazo azy ireo.
nangonin’I r.s.