Nahazo fampandrenesena ny avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena fa misy lehilahy voasambotry ny fokonolona teny Ambaniala fa nikasa hangalatra môtô-n’olona. Teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy io ranamana io no nisy nahatsikaritra ka niantsona vonjy. Tsy lasa lavitra dia voasambotra. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary nentina natao famotorana. Tamin’izany no nahafantarana fa hoe saika nentiny hamonjy alim-pandihizana ilay môtô saika hangalariny. Avy eny Ankasina ny lehilahy ary any Ambaniala Itaosy izy no manao ny asa ratsiny.
Teny amin’iny faritra Itaosy sy ny manodidina iny ihany dia fantatra fa mpangalatra telo no efa tratran’ny pôlisy ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Ny herinandro teo tokoa, tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, raha teo am-panaovana fisafoana toy ny mahazatra ny pôlisy niaraka tamin’ny andrimasom-pokonolona teny Marobiby, dia nahatsikaritra roa lahy, teo am-panosehana « scooter ». Hafahafa sy mampiahiahy ny fihetsik’izy ireo ka nanatona avy hatrany ireto mpanao fisafoana. Vaky nandositra avy hatrany anefa ireto roa lahy, namela ilay môtô teo. Efa matihanina anefa ireto mpiambina ka tsy lasa lavitra akory dia voasambotra ireto roa lahy nitsoaka. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nilazàny fa môtô avy nangalariny izy io ary nokasaina hampitaina lakana tsy lavitra teo. Samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa moa izy roa lahy ireto rehefa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana.
Fa ankoatr’izay dia voamarika amin’izao fa tena manjaka tokoa ity resaka halatra môtô ity. Mazàna dia saika ny sasantsany amin’ireo mpikirakira sy mpanamboatra azy ireny ihany no mivadika ho lasa mpangalatra rehefa tsy misy asa. Mazava ho azy izany satria dia hainy tsianjery sy fantany hatramin’ny pitsopitsony io môtô io ka na mihidy tahaky ny inona aza dia mbola voavaha sy velona ihany. Toy ny nahazo ny lehilahy iray raha nametraka môtô nihidy teo amina toeram-piantsonana tobin-tsolika iray teto an-drenivohitra. Toy ireny tompony ireny ilay mpangalatra hita tamin’ny alalan’ny « camera », namelona ilay môtô ary nitondra azy tsy amin-tahotra akory.
m.L