- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMiarinarivo : Mpanao vola sandoka sy mpanaparitaka rongony vosambotry ny FIP

Miarinarivo : Mpanao vola sandoka sy mpanaparitaka rongony vosambotry ny FIP

Nidina nanome tanana ireo polisy eo anivon’ny talem-paritry ny Filaminam-bahoaka (DRSP) any amin’ny faritra Itasy iny ny avy eo amin’ny Hery vonjy taitran’ny polisim-pirenena (FIP) avy eto Antananarivo. Natao izao hetsika izao noho ny fahitana fa mitady hirongatra izay tsy izy ny tsy fandriampahalemana ao Miaronarivo sy ny manodidna. Nahitam-bokatra tokoa izany araka izao manaraka izao tao anatin’ny  herinandro nanomboahany. Tambajotra mpanao vola sandoka iray no saron’ny FIP voalohany ny andron’ny 08 aogositra 2019 teo niaraka tamin’ny fitaovana sy akora fanamboarana izany ka lehilahy miisa telo, 26 taona, 20 taona ary 30 taona no voasambotra tamin’ity raharaha ity. Tambajotra mpamatsy rongony mahery vaika amin’iny faritra iny ihany koa no tra-tehaky  FIP ny andron’ny 15 aogositra 2019 teo. Lehilahy iray 67 taona sy ramatoa iray 60 taona no tompon’antoka tamin’ity fanondranana sy fanaparitahana rongony ao amin’ny faritra Itasy ity. Araka ny fanadihadiana dia efa an-taonany maro izy ireo no nanao izany asa ratsy izany. Mbola nahatratrarana rongony mahery vaika roa gony moa izy ireo tamin’ny fotoana nisamborana azy. Natolotra avy hatrany ireo sampana mpanao famotorana ao amin’ny DRSP Itasy ireo mpanao ratsy ireo. Mbola mitohy moa izany  fanomezan-tanana ataon’ny FIP any an-toerana izany hatreto.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici