- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAmboditsiry : Mpangalatra maty voatifitry ny tompon-trano

Amboditsiry : Mpangalatra maty voatifitry ny tompon-trano

Lehilahy iray  no maty voatifitra tetsy Amboditsiry, ny alin’ny sabotsy lasa teo, raha teo am-piomanana ny hangalatra tao amina tokantrano iray teny an-toerana. Henon’ny tompon-trano moa izany ka dia niaro ny fananany ireto farany ary nitifitra ilay olon-dratsy.

Manoloana ny trangana tsy fandriampahalemana mihamahazo vahana eto amintsika tokoa, dia maro ireo olona no miezaka miaro tena amin’izay fitaovana eo am-pelan-tanany. Tsy vitsy ihany koa anefa ny manana fitaovam-piadiana mihitsy entina hiarovana ny fananany, toy ny zava-nitranga teny amina tokantrano iray tetsy Amboditsiry. Araka ny angom-baovao azo, izay nohamafisin’ireo mpitandro filaminana, dia mpangalatra iray, lehilahy manodidina ny 30 taona any ho any no notifirin’ny tompon-trano raha nikasa ny hangalatra tao aminy. Araka ny fantatra hatrany koa  dia nitsambikina avy any ambony tamboho ity farany ary nikasa hangalatra kojakojana fiara nijanona teo an-tokotany. Efa nahavaha ny sasantsany tamin’ireo pitsopitsony ihany aza izy no henon’ny tao an-trano ny kotaba naterak’izany. Nivoaka avy hatrany ireto farany niaraka tamin’ny basy ary nanao savahao ny tokotany. Tamin’izay no tra-tehaka teo ilay olon-dratsy izay saika mbola hamaly ireto olona voatafika ireto ihany. Niezaka niaro tena tamin’izay ireto farany ary nitifitra. Voa teo amin’ny tratrany ity lehilahy mpangalatra ity ary nidaboka. Maty tsy tra-drano. Taorian’izay moa no nampandrenesina ny mpitandro filaminana, izay tonga haingana teny an-toerana. Nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity. Izany tokoa ny hoe sendra ny nahay azy …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici