Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny , ny sabotsy tolakandro teo. Fiarabe roa, ny iray handeha hiatsinana ary ny iray hiakatra aty An-drenivohitra no nifandona teo amina toerana iray, tsy hidirana an’i Ranomafana. Samy feno entana ireto fiarabe ireto ka azo eritreretina amin’izany ny hamafin’ny fifandonana. Voalaza ihany koa moa samy nandeha mafy. Araka ny fampitam-baovao azo, dia olona efatra izy ireo no tao anatin’ireto kamiao roa ireto. Ny roa no avotra soa aman-tsara, fa ireo mpamily roa lahy kosa no samy voa mafy. Ny iray aza moa dia mbola tsy nahatsiaro tena tamin’ny fotoana nitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana ary tena ahiana mafy ny ainy. Samy potika tsy nisy noraisana kosa ny lohan’ireto fiara ity ireto araka ny hita etsy amin’ny sary. Vokatr’ity lozam-pifamoivoizana ity , dia tapaka nandritra ny fotoana naharitraritra ny fifamezivezena tamin’iny lalam-pirenana mampitohy an’Antananarivo sy ny renivohitr’i Betsimisaraka iny, ny sabotsy lasa teo.
Fa mbola lozam-pifamoivoizana tamina lalam-pirenena, nitranga tetsy amin’ny kaominina Anonibe, distrika Miarinarivo, ny sabotsy teo ihany. Fiara kely iray nivoaka ny làlana, nitsimbadimbadika ambony ambany ary niafara teny an-tanimbary. Vokany potika tanteraka ilay fiara. Araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny mpitandro filaminana tany an-toerana dia olona roa no tao anatin’io fiara io. Lehilahy sy vehivavy, izay samy naratra mafy avokoa. Na dia somary natahorana ihany aza dia nambara fa avotra soa aman-tsara avokoa izy ireo, rehefa nahazo fitsaboana tany amin’ny hôpitaly. Raha ny fanazavana azo hatrany, dia vokatry ny olana teknika, teo anivon’ny « transmission » no nahatonga ity loza ity. Ny zandary misahana ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena no misahana ny raharaha sy nanao ny fanadihadiana.
m.L