Mbola tsy milamina. Ny faran’ny herinandro lasa teo, dia nitrangana savorovoro indray tetsy Faharetana, Atongona Imerintsiatosika ny faran’ny herinandro lasa teo vokatry ny ady tany ihany izay ifanolanan’ireo fokonolona sy ny orinasa iray. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia nisy mihitsy ny tifi-danitra nataon’ireo mpitandro filaminana nentina nanaparitahana ireo fokonolona. Ireto farany izay tsy nanaiky ihany koa, fa nanohitra tamin’ny alàlan’ny tora-bato.
Raha ny vaovao voaray dia tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo no tonga teny an-toerana saika hanatanteraka asa indray ireo avy amin’ilay orinasa ; izay avy hatrany dia nobahanan’ireo fokonolona. Naharitra ora maromaro teo ny savorovoro ka voatery niditra an-tsehatra indray ireo teo anivon’ny OMC, izay ivondronan’ireo tompon’andraiki-panjakana misehatra ho an’ny fandriampahalemana. Efa niha-niakatra ny feo ka mba nentina nanaparitahana ireo fokonolona marobe, dia nisy ny tifi-danitra nataon’ireo mpitandro filaminana. Tsy levon’ny vavonin’ireo fokonolona moa izany ka dia velona ny tora-bato isan-karazany. Teo anatrehan’ny zava-nisy dia voatery nihemotra ireo mpitandro filaminana sy ireo andian’olona nikasa hanao asa. Marihana, hoy ny fanazavana azo avy amina tompon’andraikitry ny zandary iray tany an-toerana, fa tsy nisy naratra tamin’izany sakoroka izany. Tsy nisy ihany koa ny fisamborana tao anatin’izay. Taorian’izay dia niverina nilamina indray aloha ny toe-draharaha. Manoloana ity tranga ity moa dia efa nanantanteraka fivoriana niarahana tamin’ireo solon-tenan’ny roa tonta ny teo anivon’ny OMC, saingy tsy nety nahitam-bahaolana mihitsy izany hatreto. Samy miziriziry amin’ny heviny ny andaniny roa : ireo fokonolona nilaza fa efa nanajary ilay tany amam-polon-taonany maro ary porofon’izany ny fisiana voly voasary marobe eo amin’ity tany ity. Etsy ankilan’izay kosa milaza fa manana taratasy ara-dalàna ilay orinasa fa hoe azy ireo ny tany. Marihana fa tany an-jatony hektara ity ifanolanana ity. Amin’ny alarobia izao indray no voalaza fa hisy fivoriana hiarahana ka dia ho hita eo ny tohiny.
nangonin’i m.L