- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina II : Jiolahy telo matin’ny zandary, dimy azo sambom-belona

Toamasina II : Jiolahy telo matin’ny zandary, dimy azo sambom-belona

Izy dimilahy voasambotry ny zandary

Ny alin’ny 13 aogositra teo nifoha ny alakamisy 14 aogositra, dia raikitra ny fifampitifirana sy ny fifanenjehana teo amin’ireto andian-jiolahy sy ny zandary. Nanomboka teo Ivoloina izany hatrany amin’ny kaominina Ambodimandresy sy Sahandahatra ary hatrany Ampasimbe Toamasina II iny. Raha ny fanazavana azo, dia tena tamba-jotran-jiolahy izy ireo, satria dia miisa valo tany ho any ireo nanao izany ary avy any Fenerivo atsinanana izy ireo no manao asan-jiolahiny amin’ny lalam-pirenena faha-05 iny.

Efa roa andro no tsy nandry fahalemana ireo Tanana sy kaominina amin’ny lalam-pirenena faha-05 iny, ka izao nanaovan’ny zandary hetsika manokana izao, noho ny vaovao azon’izy ireo ara-potoana. Manapoaka basy sy mampitahotra ireo tokantrano tafihany hatrany ireto jiolahy ireto mandritra izany. Raha tao amina tokantrano iray tao Sahandahatra izy ireo nanao izany, dia voatery namaly tifitra koa ilay tokantrano notafihan’izy ireo; nony farany tsy namelan’ireto jiolahy ireto raha tsy maty ilay raim-pianakaviana nifamaly tifitra tamin’izy ireo ; izay mpandraharaha ara-barotra any an-toerana. Taorian’izay dia nahazo vaovao avy tamin’ny fokonolona ny zandary fa misy lehilahy iray mampiahiahy azy ireo tao Antsiranambe mihazo an’i Basindrano. Nanao vela-pandrika ny zandary ka voasambotra tamin’izany  Rakotoniaina Johnny 32 taona, avy any Sahavola Fenerivo atsinanana. Raha nojerena ny finday teny aminy dia teo no nanomboka ny fisamborana ireo namany, ka voasambotra teo amin’ny fiantsonan’ny taksibrosy mihazo an’i Fenerivo atsinanana i Kika Gidore 28 taona, avy ao Mangarivotra Fenerivo atsinanana. Ireo  tratra ireo no nanoro ny namany taorian’izany.

Nisy ny fikarohana ireo namany izay mbola niafina tany anaty ala ka vokatry ny fifamaliana tamin’ny tifitra dia matin’ny zandary tamin’izany ny jiolahy telo fa voasambotra kosa i Serge 35 taona avy ao Ambodiazinina Fenerivo atsinanana, i Jean de Dieu Félicien avy ao Ambodimozinga Sahandahatra izay zanatany ao Toamasina II mpitari-dalana azy ireo, ary i Toto François 24 taona izay, avy eto Toamasina renivohitra. Raha ny vaovao dia eo am-pikarohana ny namany hafa ny zandary amin’izao.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici