Androany hatramin’ny alarobia izao no misokatra ny lavantin’ireo entana tsy navoakan’ny tompony tao anatin’ny fetr’andro ara-dalana eo anivon’ny teoram-pitahirizan’entan’ny Mictsl sy ny Smmc. Sady mitsidika ny entana halainy eny anivon’ny seranan-tsambo ireo manao ny lavanty no afaka avy hatrany dia mandrotsaka ny valopy misy ny tolo-bidy ihany koa. Tsy nampiarahana tamin’izao lavanty mandeha manomboka androany izao ny fivarotan’ny ladoany ireo ny lafaranina efa ho simba, ny volana desambra izao ny fetr’andro farany azo ampiasana azy. Tsy ny rehetra no afaka mandray anjara amin’izany fa orinasa sy vondron’olona manokana izay afaka manodina izany lafarinina izany ho sakafom-biby, ka izay no antony hilana ny fahazoan-dalana manokana avy amin’ny minisiteran’ny fiompiana sy ny minisitera ny jono, ankoatra ireo taratasy ara-ketra sy ny mombamomba ilay mpanao ny lavanty ihany koa. Misy 24 kaontenera ireto lafarinina efa ho lany daty ireto, izay nozaraina ao anatin’ny vondron’entana 5 raha ny fanapahana noraisin’ny ladoany. Ny Me Rakotonindrina Tovohery Adolphe no hisahana ny fanatontosana ny lavanty rehetra, hatao manomboka anio, na ny momba ity lafarinina mila fepetra manokana ity.
Malala Didier