Mitohy hatrany ny ady ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny resaka fanondranana zava-mahadomelina any amin’iny distrikan’i Betroka iny. Rongony milanja eo amin’ny 300 kilao eo indray mantsy no saron’ny zandary tao amin’ny Fangorolava, fokontany Ambalamary, kaominina Jangany, distrika Betroka ny voalohan’ny herinandro teo.
Izany dia noho ny ezaka ataon’ny eo anivon’ny zandarimarim-pirenena amin’ny fisafoana andro aman’alina ataon’izy ireo any amin’iny faritra mena izay ikoizana amin’ny asan-dahalo sy amin’ity resaka zava-mahadomelina ity. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany mantsy dia tsy manaraka lalam-pirenena intsony ireo olon-dratsy mpanondrana izany rongony izany amin’izao noho ireo savahao ataon’ireo mpitandro filaminana eny an-dalana. Aleon’izy ireo mihodidina amin’ireny tanana kely saro-dalana ireny, saingy mbola izao nahazoana vokatra izao ihany moa. Marihana fa tsy nampoizin’ireto olon-dratsy, izay mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika sy zava-maranitra isan-karazany ny fisian’ireo zandary mpanao fisafoana tany an-kebakeban-tany tany. Vao nahatazana ireto farany izy ireo dia rafitra nitsoka namela ireto entana, izay miteti-bidy an-tapitrisany any ho any teo. Gony feno rongony miisa enina teo izy ireo no sarona ary io milanja 300 kilao io, izay saika halefa ao Andiolava, alohan’ny hanaparitahana azy any amin’ny toerana farany hitodihan’izany. « Tsy maintsy atao ny fanenjehana ny fanondranana ny zava-mahadomelina, hampisy ny fandriampahalemana aty Betroka », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary any an-toerana. Marihana fa tany amin’iny tapany Atsimon’ny nosy ihany no nahitan’ireo mpitandro filaminana ilay tany fambolena rongony amina hektara maro.
m.L