- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAndravoahangy : Tovolahy voasambotra  teo am-pamakiana tsenan’olona

Andravoahangy : Tovolahy voasambotra  teo am-pamakiana tsenan’olona

Tovolahy iray voalaza fa saika hamaky toeram-pivarotan’olona iray tao an-tsenan’Andravoahangy no natolotra ny fampanoavana  tetsy Anosy omaly, rehefa avy nohadihadiana tao amin’ny kaomisarian’ny filaminam-bahoaka,  boriborintany fahatelo Antaninandro. Araka ny fanazavana, teo am-pamakiana io fivarotana io ity tovolahy ity ny alin’ny Alahady lasa teo no tsikaritr’ireo mpiambina eo amin’io tsena io. Nirotsaka nisambotra azy avy hatrany ireto farany ka tsy afaka nitsoaka intsony ity olon-dratsy. Taorian’izay dia natolotra ny polisy ity farany. Taorian’ny fihainoan’ny Fitsarana azy dia fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika eny Antanimora ity lehilahy ity. Voaporofo tamin’izao nahasamborana ity olon-dratsy ity izao,  fa efa miroso tanteraka amin’ny maha matihanina ny fitandroana ny fandriampahalemana eo amin’ity tsena ity. Matotra ny fiaraha-miasan’ireto mpiambina ireto amin’ny mpitandro  filaminana .

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici