Tamin’iny faritra Ambodimita iny, omaly vao maraim-be, tokony ho tamin’ny telo ora tany ho any. Lehilahy iray no hita faty eo am-povoan’arabe tao anaty rà mandriaka. Araka ny filazan’ireo mpitandro filaminana dia nodomin’ny fiara izy ireo ary mety ho voahitsakitsaka mihitsy. Potika tanteraka sy tsy nisy azo namantarana azy intsony mantsy ny endriny iray. Tsy nisy taratasy mombamomba azy ihany teny aminy. Marihana fa tsy fantatra ary tsy tratra teny an-toerana intsony ny fiara nahavanon-doza. Efa miroso amin’ny fikarohana sy ny fanadihadiana amin’izay ny pôlisy. Ny razana kosa dia efa nentina tany amin’ny tranom-paty miandry izay fianakaviany mety haka azy.
Fa nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ihany koa, tamin’iny lalan’i Digue iny omaly hariva. Teo akaikin’ny kianjan’i Makis, Andohatapenaka, fiara fitateram-bahoaka roa, ny iray ao amin’ny zotra mampitohy an’Andranomena sy Mausolée ary ny iray mampitohy an’i 67ha sy Ambohitrimanjaka no nifandona. Vokany, mpandeha 25 no naratra vokatr’izay fifandonana izay, araka ny fanazavàna nomen’ireo pôlisy misahana iny faritra iny. Raha ny voalaza dia tsy nisy voa mafy ireto olona naratra ireto, na izany aza anefa dia samy nalefa nentina notsaboina tao amin’ny hôpitaly Manarapenitra avokoa izy ireo. Ireo fiara nifandona kosa dia fantatra fa samy nahitàna fahapotehana avokoa.
nangonin’i m.L