- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Taxi-brousse nivadika, olona roa maty, 8 naratra mafy

Ankazobe : Taxi-brousse nivadika, olona roa maty, 8 naratra mafy

Namono olona indray ny lalam-pirenena fahefatra. Taxi-brousse iray  no nivadibadika teo Ankazobe, ny harivan’ny alakamisy lasa teo. Vokany, mpandeha roa no namoy ny ainy, fito kosa ireo naratra mafy.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teo Manankazo, 26 kilaometatra tsy hiditra an’Ankazobe, omaly tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any. Araka ny fanazavàna nomen’ny Kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary ao Ankazobe dia fiara ao amin’ny zotra iray mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ity niharan-doza ity. Avy any an-drenivohitr’i Boina izy io ary hitodi-doha hiakatra aty Tanà. Heverina ho fandehanana mafy hatrany no nahatonga ny loza satria dia somary malalaka sy mahitsy ny lalana eo amin’io toerana io kanefa misy fiolanana mampidi-doza aok’izany. Teo amin’izany toerana izany mihitsy no nivadika ilay taxi-brousse raha ny fanazavàna azo. « Tafavoaka ny lalana io fiara io ary nitsimbadimbadika tanaty hantsana nony avy eo ». Vokany, potika tanteraka ilay fiara. Maro tamin’ireo mpandeha no naratra mafy ary nisy ramatoa iray nipitika teny ivelany ary maty tsy tra-drano. Nijanona avy hatrany ireo fiara nahita ny loza ary samy niezaka namonjy ireo naratra nampian’ireo fokonolona teny an-toerana. Tonga teny ihany koa ireo mpitandro filaminana misahana izany faritra izany nanampy tamin’ny fisokirana ireo mpandeha tavela tao anatin’ilay fiara. Nalefa avy hatrany tany amin’ny hôpitaly Ankazobe moa ireo naratra. Nisy vitsivitsy tamin’ireto farany, miisa valo izy ireo, araka ny fampitam-baovao azo hatrany no tena voa mafy, anisan’izany ny lehilahy lehibe iray, izay namoy ny ainy omaly, noho ny ratra nahazo azy ary ny mpamily.

Fotoam-pialan-tsasatra tokoa izao, maro ireo olona no mindrana ireo lalam-pirenena hisintahana kely ny renivohitra hamonjy ranomasina sy hafanana. Ity lalam-pirenena fahefatra ity dia isan’ny be mpindrana indrindra. Ary izany matetika no mitarika fakam-panahy ho an’ireo mpitatitra ka na ilay mpamily manao « dona-miverina », tsy misy fakana aina na lasa mandeha mafy be eny an-dalana, izay loza mivantana ho an’ireo mpandeha. Efa misy hatrany moa ny fepetra raisin’ny eo anivon’ny zandary manoloana izany tranga izany ary tsy mitsahatra izy ireo ny manentana ireo mpamily eny an-dalana, mba handeha milamina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici