Tao anatin’ny iray volana izao, raha ny fanazavana nomen’ny kaomisera Seraly Hercule no nampirongatra ny halabotry tao Betafo, indrindra fa ny halatra bisikileta sy moto. Nisy ny hetsika nataon’ny polisy nentina hiadiana tamin’io tsy fandriam-pahalemana io, ka nahitam-bokany izany. Tra- tehaky ny polisy, jiolahy efatra mpangalatra gaigilahy. Efa za-draharaha amin’ny asa-ratsiny tokoa izy efa-dahy ireto raha ny fanazavana hatrany. Mody mampiresaka olona ny iray, rehefa tsaratsara ny resaka, indraminy ny bisikileta, tsy averiny intsony anefa izy io fa dia mampamangy avy eo. Toy izany hatrany ny paikadin’ity ranama iray ity nandritra ny fotoana maromaro. Tamin’ny zoma lasa teo, efa zatra tokoa ity mpangalatra ity, toy ny fanaony dia nindrana bisikileta iray an’ny mpiasan’ny kaominina izy. Tsy niverina intsony anefa ity farany fa tany dia tsy hita . Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ny tompon’ny bisikileta ka narahina izay diany. Teo Ampahatrimaha no nahatratrarana azy ary tsy afa-nandositra intsony. Taorian’ny fanadihadiana, sarona koa ny namany telo lahy, ny iray avy eto Antsirabe mpivarotra kojakoja bisikileta no asany, ka izy io no voalaza ihany koa fa mpanamboatra sy mpanova ireo bisikileta halatra, ny roa kosa mpandray ny entana. Ankoatra ny bisikileta 6 tratra tao amin’izy efa dahy ireto dia mbola nahitana moto iray sy posy iray ihany koa tao amin’ny trano fonenany, izay voamarina fa halatra ihany koa.
Natolotra ny fitsarana omaly izy efa-dahy voasambotra.
Andry N.