Nandriaka indray ny rà tany amin’iny distrika Vohipeno, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona telo, izay fianakaviany ihany no novonoin’ity lehilahy iray, tamin’ny fomba feno habibiana. Tezitra tamin’izay ny fokonolona ka nisambotra an’ilay mpamono olona ho « aina solon’ny aina » ihany koa.
Tao Tamboro, ao amin’ny kaominina Lanivo, distrikan’i Vohipeno no nitrangan’ity habibiana tsy roa aman-tany ity, ny marain’ny sabotsy lasa teo. Tsy fantatra izay nahazo ity lehilahy iray, fa avy hatrany dia notombotombohany tamin’ny zava-maranitra ny zanaky ny anadahin-dreniny rehefa avy nifamaly taminy. Ary tsy namelany raha tsy nanaraka hatramin’ny ainy. Tsy mbola afa-po tamin’izay anefa izy, fa mbola nandeha nihazo ny tanànan’i Ekaiky, izay tsy lavitra teo fa hoe mbola hamono ny rahalahiny. Tsy tratrany tao anefa ity farany fa ny rahalahin-drainy indray no hitany tao ka dia io indray no nampiharany ny habibiany ary tsy namelany ihany koa raha tsy namoy ny ainy. Tsy vitan’izay anefa, fa mbola nihatra tany tamin’ny renikeliny indray ny hatezeran’ity rangahy lian-drà. Kapa famaky teny amin’ny lohany sy teny amin’ny tarehiny ary nahazo ny masony no nahafaty ity vehivavy tsy nanan-tsiny. Tao anatin’ny ora vitsy monja, dia efa olona telo be izao no namoy ny ainy, novonoin’ity biby olona ity. Tsy mbola nionona tamin’izany anefa ingahirainy, fa niomana ny handeha hiverina any Tamboro, hamono olona iray hafa koa. Romotra tamin’izay ireo fokonolona ka nisambotra azy. Tsy nanaiky mora anefa ingahirainy ka nifanenjehana eran’ny tanana. Rehefa tratra dia nofatoran’izy ireo. Nifandimby nidaroka sy namono, nitora-bato avokoa ireo nahatratra. Tsy namelan’ireo vahoaka raha tsy nijinja ny rà nalatsany ihany koa ity lehilahy ity. Tao anatin’izany savorovoro izany moa no nampandrenesina ny mpitandro filaminana izay tonga haingana teny an-toerana. Saingy efa aina efatra moa no nafoy. Milaza ireo mpitandro filaminana, fa hanokatra ny fanadihadiana aorian’ny fandevenana ireto olona maty ireto.
m.L