- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Mpamaky trano rain-dahiny voasambotra

Ilanivato : Mpamaky trano rain-dahiny voasambotra

Mpiara-monina aminy teo Anosipatrana ihany no nataon’ity tovolahy 18 taona ity lasibatra. Ingahirainy ity dia fantatra fa efa mpamaky trano rain-dahiny ary efa nigadra noho izay resaka izay ihany sy fanendahana mitam-piadiana. Voasambotry ny pôlisy indray izy ny faran’ny herinandro teo, niaraka tamin’ireo mpiray tendro aminy. Olona telo izy ireo, ny reniny, ny mpanafina ireo entana halatra ary ny mpanao fanafody gasiny. Ny faran’ny volana teo ity olon-dratsy ity no nanao ny asa ratsiny tamina tokatrano iray teny Anosipatrana iny, rehefa hita fa nandeha nivoaka ny tompon-trano. Soa ihany anefa fa nisy nahatsikaritra ny fidirany tao amin’io tokatrano io ka noraisim-potsiny tany an-tranony ny tovolahy. Teny an-dalana, handeha entina any amin’ny biraon’ny pôlisy anefa izy no tafaporitsaka ary tsy hita intsony eo. Ny faran’ny herinandro teo no ren’ireo pôlisy fa mihaodihaody eny amin’ny faritra Anosibe eny ity olon-dratsy ity ka nofandrihana. Tsy afa-niala intsony izy teo ary natao tsara ambina, nentina natao fanadihadiana. Tamin’izany izy no nilaza ireo namany, ka nosamborina avokoa ireto farany. Efa samy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana avokoa moa na ilay tovolahy na ireo mpiray tendro aminy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici