- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohidratrimo : Famonoana mpampianatra, ny mpiambina no atidoha

Ambohidratrimo : Famonoana mpampianatra, ny mpiambina no atidoha

Efa nomanin’ireto mpamono olona ireto ela ny famonoana an’ilay rangahy lehibe hangalana ny volany.
Efa nomanin’ireto mpamono olona ireto ela ny famonoana an’ilay rangahy lehibe hangalana ny volany.

Resaka vola no anton’ny namonoan’izy telolahy ny mpampiasa azy. Tetika efa nomanina ela

Fantatra izao fa ilay mpiambina ihany no tena atidoha nikotrika ny famonoana, tamin’ny fomba feno habibiana, ilay mpampianatra teny amin’ny tanana antsoina hoe Ankadibe fokontany Ambohitsoroa Ambohidratrimo, ny 13 jona lasa teo. Tamin’ny famotorana azy dia niaiky ny zavatra vitany niaraka tamina mpiasa roalahy mpiray tsikombakomba aminy izy.

Tokony ho tamin’ny 11 ora alina dia nahazo an-telefaonina ny zandary tao Ambohidratrimo fa misy fanafihan-jiolahy tao amin’io toerana io. Tsy niandry ela ny mpitandro filaminana fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana. Ny mpiambina izay naratra no nilaza tamin’izy ireo fa jiolahy hatrany amin’ny 13 no tonga nanafika ilay tanana. Hita nandritra ny fitsirihina nataon’ny zandary ny rà mandriaka eran’ny efitrano fatorian’ilay tompontrano sy ny tokotany. Nahitana biriky feno ra nitete sy solonify mihosin-dra teo amin’ny toerana nitrangan’ny famonoana ary nijininika nanatona lavaka iray mitototra eo an-tokotany ny rà. Rehefa nohadiana ilay lavaka dia nahitana tohatra iray ary hita tao ny fatin’ilay tompon-trano. Niahiahy avy hatrany an’ilay mpiambina ny zandary ary dia nitazona azy. Rehefa natao ny famotorana an’io lehilahy io dia fantatra fa izy tokoa no namono ilay mpampiasa azy, noho ny resaka vola. Nilaza koa izy fa efa nomaniny hatramin’ny volana may teo izany teti-dratsy izany. Mpiasa roalahy tao amin’io trano io ihany koa no nanampy azy nanatontosa ny asa ratsy. Efa voasambotra izy telo ireo ary omaly no natolotra ny Fampanoavana teny Anosy.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser