- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSadabe : Tokantrano voatafika, raim-pianakaviana iray maty voatifitra

Sadabe : Tokantrano voatafika, raim-pianakaviana iray maty voatifitra

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Sadabe, distrika Manjakandriana ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Tokantrano iray no notafihana andian-jiolahy nirongo basy. Vokany omby maromaro no lasa ary maty voatifitra ny tompon-trano.

Tokony ho tamin’ny folo ora alina tany ho any no nitranga ny fanafihana araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Manodidina ny folo lahy teo ireo olon-dratsy no  nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity. Nirongo basy moa ireto mpanafika tamin’izany. Mazàna dia efa saika ao anatin’ny torimaso ny mponina amin’izany ora sy fotoana izany ka tamin’izay no nohararaotin’ireo olon-dratsy. Nandre feo hafahafa tany an-tokontany ity raim-pianakaviana tamin’io fotoana io ary nivoaka ny trano nizaha ny zava-nisy. Notsenain’ireo olon-dratsy tamin’ny tifitra avy hatrany anefa izany ka lavo sy tsy afa-nihetsika intsony izy. Voakotaba ny feom-basy ny torimason’ireo fokonolona kanefa tsy nisy  sahy nivoaka noho ny tahotra. Iretsy mpanafika kosa tamin’izay fotoana izay niditra tao amin’ilay tokantrano ary nanomboka nisava sy naka izay vola hitany tao. Tsy vitan’izay fa mbola namaha ny hidin’ny valan’omby ihany koa izy ireo ka nandroaka sy nitondra izany. Taorian’ny fanafihana fa nivoaka ny olona rehefa nandre ny antso vonjy nataon’ireo voatafika. Ny hafa kosa nampandre haingana ireo mpitandro filaminana. Tao anatin’izay moa no nitondràna haingana ilay raim-pianakaviana voatifitra tany amin’ny toeram-pitsaboana saingy tsy avotra intsony ny ain’ity farany noho ny habetsaky ny rà very. Nanao ny savahao ny manodidina ary nanara-dia avy hatrany moa ireo zandary nampian’ireo fokonolona saingy efa tsy nisy tratra intsony ireo olon-dratsy. Mbola mitohy kosa hatreto ny fikarohana ireo mpanafika ary fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici