“Fa misy inona?” izay no fanontaniana ao an-tsain’ireo mpiasa tsy an’asa tampoka noho ny fampiatoan’ny fanjakana ny orinasa MPO na “Madagascar Prenium Oil”, izay orinasa vao hatsangana ary hanadio menaka amin’ny fotoana hahavitany ao Tanandava.
Raha namoaka ny didimpitondrany ny minisitry ny indostria sy ny minisitry ny fanajariana ny tany ankehitriny, dia tsy volaza ao anatin’izany ny antony fampiatoana nataon’ny fanjakana ity orinasa ity izao. Raha ny angom-baovao mari-pototra voaray dia ny alakamisy 22 aogositra teo no namoaka ny didy tsy fahafahan’ingahy M. R. hivoaka ny sisin-tany, na “IST”, ny tonia mpampanoa lalàna ambony ny fitsarana ambony eto Toamasina. Henjehina mafy ity mpandraharaha ity amin’izao fotoana izao noho ny antony tsy mazava, ka mahatonga ny maro mivehitra fa ny mpifaninana aminy amin’ny resaka famokarana menaka no antony izao ka mampiasa vola etsy sy eroa hanimbana ny mpifaninana aminy. Ny tena mahagaga ihany koa izao dia tsy ity mpandraharaha ity ihany no henjehin’ny fanjakana sy ny fitsarana amin’izao fa hatramin’ny mpiasany ihany koa, ka nosamborina toy ny jiolahy ny sabotsy teo ireo tera-tany vahiny 22 lahy mpiara-miasa aminy ary avy hatrany dia naverina tany amin’ny tany niaviany avy. Ireo mpiasa tera-tany Malagasy miisa 600 eo ho eo hanangana ny orinasa kosa dia ambenana mafy tsy mahazo miditra ny orinasa ao Tanandava intsony ary misy mpitandro filaminana manara-maso izy ireo amin’izany.
Famatsiam-bola hatrany amin’ny 6.000.0000 dolara anefa no ampiasain’ity mpandraharaha ity amin’ny fananganana ilay orinasa mpanadio menaka ity ary mbola mpiasa Malagasy hatrany 800 no niasa mandritra izany. Nefa izao iharan’ny antsonjay politika avo lenta izao…
Malala Didier