- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Teratany sinoa maty notafihana andian-jiolahy efatra nirongo basy

Toamasina : Teratany sinoa maty notafihana andian-jiolahy efatra nirongo basy

Maty notafihan’ny jiolahy efatra nirongo basy tao an-tranony tao Tanamakoa ity teratany sinoa iray, raha iny hamonjy fodiana niaraka tamin’ny vadiny izay teratany sinoa ihany. Raha ny vaovao, dia efa nandrasan’ireto jiolahy ireto mihitsy ny fodian’ity teratany sinoa ity, satria efa hain’izy ireo ny fotoana fidirany ny tranony. Tokony ho tamin’ny 11ora alina; izay fotoana fodian’ity teratany sinoa ity  ny vadiny rehefa avy manidy ny trano fisakafoana fananany izy ireo, dia efa indreto ireo jiolahy efatra niandry azy teo am-bavahady. Mbola nijanona saika hanokatra ny vavahady ilay teratany sinoa no avy hatrany natonin’ireto jiolahy. Mbola naharitra elaela teo ny fifampiresahana ary niara-niditra ilay rangahy sinoa sy ny sasany tamin’ireo jiolahy. Ny fifandraisana rehetra tamin’ilay ramatoa nasaina niandry tao anaty fiara amin’ireo noraofina avokoa, ka niakatra namonjy rihana ilay rangahy sy ireto jiolahy. Teo amin’ny 30min teo ny faharetan’izy ireo tany ambony rihana tany, ka solosoina entin-tanana telo sy sakaosy iray feno zavatra no nentin’ireo jiolahy nidina avy any. Raha tonga teo amin’ilay ramatoa niandry tao anaty fiara izy ireo, dia nilaza taminy fa miakara any ambony ianao fa marary mafy ny vadinao. Nony tonga teo akaikin’ny vadiny ilay ramatoa dia gaga fa rangahy efa mihoson-drà feno dian’antsy no hitany. Misy kosa ny vola very tao an-trano, saingy hatreto tsy fantatra ny fitambarany fa misimisy ihany. Hatreto aloha tsy mbola fantatra izay mety ho nahavita izao heloka izao, ilay ramatoa koa tsy mahalala ireo jiolahy  namono ny vadiny. Efa eo am-pelan-tanan’ny polisy misahana ny heloka be vava ny raharaha, na mbola tsy nametraka fitoriana aza ny fianakavian’ny maty.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

5 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici