- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversAnkazobe : Fiara nitondra tarika mpihira nivadika, iray maty, valo naratra mafy

Ankazobe : Fiara nitondra tarika mpihira nivadika, iray maty, valo naratra mafy

Nifanesisesy ny loza tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny. Omaly vao mangiran-dratsy indray mantsy dia fiara « taxi-brousse » iray avy any Marovoay, hiakatra aty an-drenivohitra no nivadibadika tetsy Firarazana, 25 kilaometatra tsy hiditra ny tananan’Ankazobe. Vokany, tovolahy iray, mpandihy ao amin’ny tarika mpihira malaza iray no namoy ny ainy teo no ho eo. Mpandeha valo kosa no naratra ary ny iray tamin’ireo no voa mafy voatery nampiakarina aty  an-drenivohitra.

Vao afak’omaly tokoa no nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tamin’iny lalam-pirenena fahefatra iny, teny Fihaonana. Adim-pamanataranandro maromaro taty aoriana dia io nisy hafa indray teo Firarazana, samy ao amin’ny distrikan’Ankazobe avokoa izany. Raha ity farany ity, araka ny fampitam-baovao nomen’ny zandary misahana izany faritra izany dia fandehanana mafy tao anaty fiolanana mampidi-doza no nahatonga ny loza. Raha ny nambaran’ireo mpandeha mantsy, hoy hatrany ny vaovao, dia lasa nandeha mafy tampoka izany ilay fiara kanefa efa fantatra fa misy fiolanam-be teo amin’io toerana. Izay antony hatreto dia tsy fantatra mazava, na noho ny antony ara-teknika na noho ny antony araka olona (faharerahan’ny mpamily ). Niafara tamin’ny fivoahanan’ity fiara mpitatitra ny lalana moa izany ary nivadibadika tanaty tevana nony avy eo. Aina iray no nafoy vokatr’izay ary maromaro ireo naratra. Potika tanteraka kosa ilay fiara « Sprinter ».

Raha ny fanazavàna azo hatrany dia nisy mpikambana maromaro anatin’ny tarika fanta-daza iray  tao anatin’ity fiara ity, izay nikasa ny hiakatra aty an-drenivohitra. « Nisy fiara manokana nandehanan’izy ireo saingy toa hoe maty an-dalana izany fiara izany ka nifindra tao amin’ity fiara niharan-doza izy ireo ». Marihana fa isan’ireo mpikambana tao amin’io tarika io moa ny tovolahy iray izay maty tsy tra-drano tao anatin’io loza io. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia nahatratra valo ireo naratra, izay samy nentina novonjena tamina toeram-pitsaboana teny an-toerana avokoa. Nisy iray tamin’ireo moa no tena voa mafy  ka voatery nampiakarina taty an-drenivohitra. Ny tobim-paritry ny zandary ao Ankazobe, izay tonga avy hatrany teny an-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza no misahana ny fanadihadiana tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici