Matotra tanteraka ny paik’ady rehetra entin’ireo mpitandro filaminana handaminana ireo olona marobe ho tonga hitsena ny Papa Ray masina, ny zoma ho avy izao. Nisy mihitsy aza moa ny fanantontosana fanazaran-tena manokana natao hiatrehana izany. Manomboka tany amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, làlana rehetra holalovany hatreny amin’ny Nocianture Ivandry, ny eo amin’ilay toerana manokana hanatanterahana ny Sorona masina lehibe, ary ireo toerana maro hotsidihany. Tao anatin’izany ihany koa, dia nisy ireo fepetra sy fandaminana maromaro nolazaina ho an’ny besinimaro amin’io fotoana io. Araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena « ny 06 septambra 2019 dia tsy azo atao ny mametraka fiara eny amin’ny lalam-baovao na iza na iza. Manomboka amin’ny 12 ora antoandro dia ho tapaka tanteraka ny làlana, ary tsy misy mahazo mandeha ny fiara, na ny môtô na ny sarety. Ary efa misy ny Didy navoakan’ny Prefektioran’Antananarivo mahakasika izany. Faharoa, efa misy ny lamina napetraka hitandroana ny fandriampahalemana hoan’ireo mpino maro be ; izay eny an-dàlana hizotra ho eny Soamandrakizay, ary misy fiara tsy mataho-dàlana fanampiny maromaro homanin’ny Ministeran’ny Foloalindahy hanao « patrouille » eran’ny tanàna amin’ireo fotoana ireo. Ary farany, efa samy mahafantatra ny toerana hidirany sy tokony hisy azy ny mpino katolika tsirairay avy, araka ny lamina anatiny izay nataon’izy ireo. Mikasika ny firavana dia efa misy paik’ady nomanina handaminana izany mba tsy hisian’ny fifanosehana sy ny loza mety hitranga rehefa tapitra ny lamesa ka handeha hirava hody ireo mpino, nanao fanentanana mahakasika izany komandin’ny Zandarimariam-pirenena mba hampizotra izany am-pilaminana ». Manampy izay, nanentana sy niangavy ny Kaomandin’ny zandarimarim-pirenana, mba « ho aorian’ny amin’ny 07 ora sy sasany hariva ireo fiara mitatitra ireo mpino katolika avy amin’ny faritra sy toerana ivelan’Antananarivo vao hiditra eto Antananarivo amin’io 06 septambra io, satria dia ho maro be ireo fiara hivezivezy eto ». Ny hirarian’ny rehetra moa, dia mba hizotra amin’ny antsakany sy andavany avokoa ny lamina efa napetraka rehetra ary tsy hisy hanao tandrevaka ny andraikitra manandrify azy, na ny eo anivon’ny tompon’andraikitra izay na ho an’ireo vahoaka an’alin-kisa maromaro ho tonga amin’io fotoana io.
m.L