- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAnalanjirofo : Hamokatra horonantsary ho fahatsiarovana ny tarika Miarema

Analanjirofo : Hamokatra horonantsary ho fahatsiarovana ny tarika Miarema

Tenin-tsary : Ny mpikamban’ny tarika, miaraka amin’ny talem-paritra.

Isan’ireo tarika nanana ny lazany teto amintsika ny tarika “Miarema” avy ao Analajirofo, satria saika tao avokoa no nivoaka ireo kalaza tamin’ny mozika Kaiamba Toamasina tamin’izany, ny Taona 70. Isan’reny ny tarika Dede Fenerivo, ny tarika Jean Freddy, ireo naman’izy ireo kosa mbola eo raha nodimandry ny taona 2001 i Jean Freddy ary ny taona 2017 i Dede Fenerivo. Vokatry ny famelomana ny vakoka ao amin’ny faritra Alanjirofo, dia nanapa-kevitra niaraka tamin’ireo mpiara-miasa sy namany ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina any an-toerana hamokatra horonantsary mikasika azy ireo, ho fahatsiarovana sy vakoka ho an’ny taranaka aty aoriana; izay tsy mahalala ny tantara. Amin’izao fanomanana ny horonantsary izay, dia fantatra fa dimy amin’ireo nanangana ny tarika Miarema no mbola velona, ireto avy ireo: i Senta Denis – i Masako –  Rajao Simon – i Meta – ary i Dodo. Ankoatra izany dia ho hita amin’ny tamba-jotran-tserasera samihafa sy fahitavalitra isan-karazany ity fanadihadiana ity, amin’ny fotoana hivoahany. Milaza ny vonona hiverina hiaka-tsehatra ireto Miarema ireto, na efa tsy ampy roa aza ny mpitendry sy ny mpihira ao aminy, aorian’ny fivoahan’ny horonantsary mikasika ny fiainan’izy ireo tany aloha.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici