- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmnesty International : Mangataka ny Papa mba hiresaka ny zon’olombelona

Amnesty International : Mangataka ny Papa mba hiresaka ny zon’olombelona

Mila resahin’ny Papa François ny mahakasika ny olana mifandraika amin’ny zon’olombelona eto Madagasikara. Nanao fanambaràna ny fikambanana iraisam-pirenena Amnesty International izay miady amin’ny tsy fanajàna ny zon’olombelona maneran-tany ary nohararaotiny ny misintona lakolosy amin’ny fandalovan’ny ny Papa François. Ny famonjana vonjimaika izay mihoatra ny tokony ho izy ary ao anatin’ny fepetra tsy azo iainana no isan’ny tena notsipihan’ity fikambanana ity. Natsidiny tao koa ny olana mahakasika manokana ny firenena Mozambikana, izay isan’ny hotsidihan’ny Papa aty Afrika. Io indray dia ny herisetra mihatra amin’ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon’olombelona no tena nasongadiny ary iangaviany ny Papa mba horesahina. « Ny lazan’ny fandalovan’ny Papa amin’io fotoana io dia azo hanararaotana tsara mba hijerena akaiky sy hiresahana ny resaka tsy fanajana ny zon’olombelona eto Madagasikara. Amin’ny fihaonan’ny Papa amin’ny manampahefana dia ilaina ny mba hilazany fa manara-maso akaiky ny krizy mahakasika ny zon’olombelona eto Madagasikara sy ao Mozambika izao tontolo izao », raha ny fanazavan’ny tale lefitra Muleya Mwananyanda, izay miandraikitra ny Amnesty International aty Afrika Australe. Notohizany fa ny feon’ny Papa hiresaka an’izany dia efa mety manova zavatra lehibe amin’ny fanatsaràna ny tontolon’ny zon’olombelona. Ny tena mbola hamafisin’ny Amnesty International raha momba an’i Madagasiara manokana dia ny fisian’ny olona miandry fitsaràna am-ponja kanefa voatazona amam-bolana maro na aman-taonany mihitsy aza. Tsy vitan’izay fa eo koa ny haratsin’ny fonja hitazomana azy ireo. Ny fanadihadian’ity fikambanana ity ihany no nampahafantatra fa tamin’ny taon-dasa dia olona 52 no maty nandritra ny fitazomana am-ponja vonjimaika azy ireo. Marobe ny endrika tsy fanajàna ny zon’olombelona noraisin’ny fikambanana ho ohatra saingy ny ankamaroan’izany dia mahakasika hatrany ny tsizarizary ao am-ponja : ny sakafon’ny voafonja, ny fitsaboana azy ireo ary ny tsy fanjarian’ny fotodrafitrasa. Hiresaka izany tokoa ve ny Papa ?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici