- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversRN1 : Taxi-brousse nifandona, olona iray namoy ny ainy

RN1 : Taxi-brousse nifandona, olona iray namoy ny ainy

Nisesisesy mihitsy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana tamin’ireo lalam-pirenena eto amintsika. Tamin’iny lalam-pirenena voalohany, ny faran’ny herinandro lasa teo dia taxi-brousse roa no nifandona, teo Ambohidavenona, Miarinarivo. Vokany, mpandeha maromaro no naratra. Nisy iray tena voa mafy tamin’ireo ka namoy ny ainy rehefa nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Araka ny angom-baovao azo dia voalaza fa niala mpandeha an-tongotra iray niampita tampoka ny iray tamin’ireto fiara mpitatitra olona ireto, ary namantana tany amina fiara iray nifanena taminy. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy ary nanampy ireo teny an-toerana tamin’ny famonjena ireo naratra ny mpitandro filaminana.

Fa tamin’iny lalam-pirenena iny hatrany, saingy efa taty an-drenivohitra indray. Teny amin’ny faritra Anosizato iny ny faran’ny herinandro teo dia vehivavy iray no fantatra fa namoy ny ainy rehefa voafaokan’ny fiara teny an-toerana. Nezahina nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa io vehivavy io, saingy tsy tana intsony ny ainy. Araka ny angom-baovao azo dia tsy nijanona ilay fiara nandona azy fa vao mainka nanohy ny diany nitsoaka. Efa manao ny fikarohana ity fiara nahavanon-doza ity moa ireo mpitandro filaminana.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici