Nifampiresaka tamin’ny mpanao gazety teny Mangarano ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Barikadimy Toamasina ny fiafaran’ny herirandro teo. Nandritra izany no nilazan’izy ireo ny zavatra efa tsy mety sahady ataon’ny fiadiadiana ny filohan’ny oniversite. Raha ny marina dia tsy mitazona ny teny nataony ny filohan’ny oniversite satria efa azony ny toerana. Nambaran’ireto mpianatra nihaona tamin’ny mpanao gazety fa lafo be amin’ireo mpianatra ny hofan’ny tranon’izy ireo, izay mahatratra 120.000 ariary. Manginy fotsiny raha te-hihaona amin’ny filohan’ny oniversite ny mpianatra amin’ny olona mahazo azy, dia voasakantsakan’ireo olona manodidina ny filohan’ny oniversite. Ny mpanao gazety mikaro-panazavana amin’izao raharaha izao koa aza voahilika ary feno avona ny valin-teny azo. Vokatr’izao zavatra manomboka mangotraka ao Barikadimy izao dia manomboka mitroatra ny mpianatra, ka raha tsy voavaha malaky ireo olona amin’ny mpianatra ireo dia ho tonga amin’ny fitokonana indray ny raharaha. Hatreto aloha mbola miezaka mitady vahaolana ny mpianatra, araka ny toky nataon’ny filohan’ny oniversite tamin’ny naha-kandida azy, ka raha efa lany ny pitsopitson-dalàna sy ny làlana rehetra, izay vao miditra amin’ny fitokonana ny mpianatra.
Malala Didier