Tsy milamina mihitsy ny eny amin’ny faritra Anosibe. Omaly tokony ho tamin’ny 7 ora hariva, norobain’ny olona efatra voalaza fa nitondra basy mahery vaika, kalach, ny fivarotana iray teny Angarangarana. Niditra avy hatrany ry zalahy ary ny vola no notakiany. Teo anatrehan’ny basy, tsy nisy sahy nihetsika, hoy hatrany ny vaovao. Nalainy ny vola 150 000 ariary sy ny lefonina roa. Raha voa azony izany dia lasa nandeha izy ireo. Ny loharanom-baovao hatrany no hilazana fa raha vao azony izany vola izany dia lasa nandeha ireo mpandroba. Tsy nisy ny basy nipoaka, hoy ireo teny an-toerana. Matahotra kosa anefa ny rehetra satria efa matetika loatra ny fanafihana sahala amin’izao eny amin’iny faritra be mponina iny. Tao antin’ny herinandro vitsy izay dia nandrenesana asan-jiolahy foana teny an-toerana. Toa tsy mifidy ireo mpangalatra fa asiany avokoa na mpanasa lamba, na mpivarotra kely, na tokantrano tsy dia manao ahoana loatra. Leo ny mponina, hoy ny mpitazana. Sahirana anefa ry zareo satria dia toa tsy misy miraharaha mihitsy ny fahavoazana mianjady amin’izy ireo. Mitazam-potsiny ny tompon’andrikitra, hoy hatrany ny vaovao.
r.s.