Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tamin’iny lalam-pirenena voalohany, tetsy Malaza Ampitatafika, omaly. Kamiao lehibe iray no nandona fiara « minibus» taxi-brousse. Vokany, olona 11 no naratra mafy vokatr’izany. Ny mpamilin’ilay fiara mpitatitra aza moa dia voatery nosokirina tao anaty karaokam-by tao.
Voararàn’ny lalana tanteraka ny fandrasaina zava-pisotro misy alikaola raha hamily fiara, satria dia mampidi-doza ho an’ny tena sy ho an’ny hafa. Porofon’izany ny zava-nitranga tetsy amin’iny lalan’ny diguen’Ampitatafika iny omaly, tokony ho tamin’ny roa ora tolakandro tany ho any. Fiarabe iray, izay handeha hiankandrefana no nandona taxi-brousse iray handeha hiakatra aty an-drenivohitra avy any an-drenivohitr’i Bongolava. Voalaza fa hoe mamofon-toaka ilay mpamilin’ilay fiarabe tamin’io fotoana io, ka tsy nahavita nanarina ny fiarany intsony, ka namantana teny amin’ny fiara iray nifenana taminy. Mafy dia mafy ny fifandonana satria dia samy nandeha mafy ireto fiara roa ireto. Malalaka sy mahitsy rahateo moa ny lalana.
Potika tanteraka ny lohan’ilay « minibus », tamin’izany izay toa lasa karaom-by sisa. Nahitàna fahapotehana kely ihany koa ny lohan’ilay kamiao. Ny tao an’ity farany dia tsy nisy afa-tsy ilay mpamily mamo sy ny mpanampy azy. Ity farany dia naratra noho ny poti-pitaratra nipitika teny aminy. Ilay mpamily kosa tsy sahy nivoaka ny fiara akory noho ny tahotra ny hatezeram-bahoaka. Tamin’ilay fiara mpitatitra kosa dia fantatra fa niisa 10 ireo naratra araka ny angom-baovao azo. Nentina novonjena haingana nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa ireto farany, izay nifanampian’ireo fokonolona sy ny mpitandro filaminana tonga teny an-toerana. Nentina avy hatrany natao famotorana kosa ilay mpamily nahavanon-doza.
m.L