- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Voaheloka hiasa an-terivozona 15 taona ireo nikasa hamono...

Toamasina : Voaheloka hiasa an-terivozona 15 taona ireo nikasa hamono an-dRah-Ckiky

Notsaraina ny 29 aogositra teo anivon’ny fitsaràna ady heloka be vava Toamasina, ilay raharaha fikasàna hamono ny mpanakanto Rah-Ckiky. Ny didy dia 15 taona an-tranomazina asa an-terivozona miaraka amin’ny didy fampisamborana ho an’i Barivelo Romain izay nitsoaka nandritry ny nahazoany famotsorana vonjimaika. Ny oktobra 2017 tamin’ny telo maraina no nisy nanafika tao Tsarahonenana-Betainaomby i Rah-Ckiky. Sady nangalatra no namono ireo olona.  Feno dian’antsy ny tompon-trano ary mba avotra ihany taorian’ny fitsaboana. Raha ny marina izany araka ny teo anivon’ny fitsarana ihany dia valifatin’ingahy Romain tamin-dRah-Ckiky no anton’izao zava-drehetra izao, saingy ireo naman’i Romain roa lahy no mifonja sy manao asa an-terivozona 15 taona. I Romain izay tena atidoha nikotrika ny fikasàna hamono olona kosa anefa dia tafatsoaka taorian’ny fahazoany fahafahana fonjimaika tamin’ny fitsaràna teto Toamasina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici