Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany amin’iny distrika Bekily iny ny alarobia lasa teo. Vokany, nisy telo tamin’ireo fokonolona mpanara-dia no naratra voatifitr’ireo olon-dratsy, roa tamin’ireto farany kosa no tsy afaka manohy ny asa ratsiny intsony. Araka ny fampitam-baovao azo dia omby efatra valo miisa eo amin’ny 44 teo no nalain’ireo andian-dahalo nirongo basy tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Beraketa, distrika Bekily, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Avy hatrany dia nanaradia ireo fokonolona, nampian’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Beraketa, niaraka tamin’ny Usad. Teo Antanimena, fokontany Ifarantsa, kaominina Beraketa no nifankatratra ireo nohenjehina sy ireo mpanenjika. Raikitra avy hatrany ny fifandonana. Vao nahatazana ireo mpanenjika mantsy ireo dahalo dia nitifitra avy hatrany ka nahavoa ny sasany tamin’ireo fokonolona. Namaly tifitra kosa ireo zandary teo anatrehan’izany ka nisy dahalo roa no lavo. Azo teny am-pelan-tanan’ireo dahalo kosa ny omby 44 isa raha maty nokapain’ireo olon-dratsy ny iray. « Ny vahoaka ao amin’ny faritra Androy dia misaotra ny fitondram-panjakana nandefa ny « Unité anti-dahalo » any Atsimo sy ny fampitaovana amin’ny fitaovam-piadiana vaovao azon’izy ireo » hoy ny fampitam-baovao.
m.L