Maromaro ireo zaza very teny amin’ny lamesa lehibe notarihan’ny Papa Francois ,tetsy Soamandrakizay omaly, saingy noho ny fipetrapetraky ny lamina sy ny toromarik’ireo mpitandro filaminana, dia saika hitan’ireo ray aman-dreniny avokoa izy ireo. Na izany aza, telo tamin’ireto ankizy tafasaraka tamin’ireo nitondra azy ireto no tsy nisy naka ary voatery naterin’ny pôlisy tetsy amin’ireo relijiozy ao amin’ny « Soeur Capucine » Sabotsy Namehana. Ny iray, ankizilahy kely tokony ho 10 taona eo ho eo, monina eny Ambatolampy Ambohibao ary zanak’Atoa Solofo sy Rtoa Angeline. Ny iray kosa zazavavy kely 9 taona, zafikelin’i Bebe Zafy avy any Ambohidroa, distrika Morarano Chrome, faritra Alaotra, ary ny farany zazavavy 14 taona, antsoina hoe Fitahiana, zana-dRtoa Nadia ary monina eny Ambohijanaka Iavoloha.
Ankoatr’ireo zaza very ny alahady ireo mantsy, dia voalaza fa nisy ramatoa lehibe namoy ny ainy teny an-toerana, ny alin’ny sabotsy, noho ny hatsiaka sy ny vovoka. Araka ny angom-baovao azo, dia efa manana aretim-pisefoana ity ramatoa ity ary teny an-dalana nitondrana azy tany amin’ny hôpitaly izy no namoy ny ainy. Etsy andanin’izay, dia fantatra fa olona maherin’ny 200 isa teo ho eo, no nomena fitsaboana tao anatin’ny roa andro teny Soamandrakizay ka ny 16 tamin’izay no tsy maintsy nentina namonjy hôpitaly, fa tsy vita intsony teny. Tsy arakaraky ny habetsaky ny olona tokoa fa dia azo lazaina ho tena nirindra sy nilamina ny fanomanana natao amin’ity fahatongavan’ny Papa teto amintsika ity, indrindra moa ny mahakasika ireo hetsika teny Soamandrakizay : ny alim-bavaka ny sabotsy alina sy ny lamesa lehibe notontosaina ny alahady. Mpino katôlika aman’hetsiny maromaro any tokoa mantsy no tonga teny an-toerana. Na dia teo ihany aza ny indro kely indraindray; izay trangan-javatra tsy nampoizina amin’ny fanomanana lehibe tahak’izao.
m.L