- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversBetroka : Dahalo rain-dahiny maty voatifitra, roa hafa azo sambo-belona

Betroka : Dahalo rain-dahiny maty voatifitra, roa hafa azo sambo-belona

Dahalo roa, niaraka tamin’ny mpanao ody gasy iray no voasambotry ny zandary, tany amin’iny distrika Betroka iny, ny herinandro teo. Nikasa ny hitsoaka anefa ny iray tamin’izy ireo ka voatery nitifitra ireo mpitandro filaminana. Maty vokatr’izay io olon-dratsy io. Raha ny fampitam-baovao azo, dia nanatanteraka fanarahan-dia handeha hitady omby very tany Bekininy Andranomanga, distrika Iakora ny zandary 22 lahy niaraka tamin’ny solon-tenam-pokonolona izay niainga tao Betroka. Ny alakamisy maraina dia tra-tehaka tao amin’io toerana ny dahalo rain-dahiny roa lahy niaraka tamin’ny mpanao fanafody gasiny. Tra-tehaka ihany koa ny basy roa, ody gasy maromaro ary balana Mas36 iray. Omby 14 no fantatr’ireo mpanara-dia, fa anisan’ireo omby very. Nentina avy hatrany nihazo an’i Betroka  ireto olona voasambotra ireto, hanaovana famotorana. Teny an-dalana anefa, efa nandrasan’ireo dahalo namany, izay mitotaly eo amin’ny 50 lahy teo izy ireo, hamotsotra ireto lehiben-dahalo ireto. « Raikitra ny fifandonana ka nanararaotra nitsoaka mba hamonjy ireo namany ny iray tamin’ireo voasambotra ka voatifitra tamin’izay ary dia maty » hoy ny vaovao. Nahita izany ireo mpanao vela-pandrika, dia nilavo lefona ary nitsoaka. Tonga soa aman-tsara tany Betroka kosa ireo mpitandro filaminana nitondra ireo dahalo roa. « Naiditra am-ponja vonjimaika ireto dahalo azo sambo-belona ary naverina tamin’ny tompony ny omby » hoy hatrany ny vaovao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici