- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversFanagiazana omby tao Antanimeva : Nampiaka-peo ireo foko fito, tsy manaiky ny...

Fanagiazana omby tao Antanimeva : Nampiaka-peo ireo foko fito, tsy manaiky ny fanamparam-pahefana ataon’ny miaramila mpampandry tany

Manoloana ny fanagiazan’ny mpampandry tany ny omby  1.756, nanomboka ny 25 jolay lasa teo, izay mbola tsy nahitam-bahaolana mandrak’ankehitriny, na dia teo aza ny fidinana ifotony nataon’ny Praiministra niaraka tamin’ireo mambran’ny governemanta misahana ny fandriampahalemana sy ny lafin-tany, tany Antanimeva Distrikan’i Morombe, ny 28 aogositra lasa teo. Nanao fanambarana lehibe nivantana nentina indray nanaitra ny mpitondra fanjakana ireo avy amin’ny foko fito mandrafitra ny faritanin’i Toliara teo aloha, ka toy izao ny vontoatin’izany, afak’omaly, tao Maninday. « Izahay foko fito (Masikoro, Antandroy, Tanalana, Vezo, Mahafaly, Bara, Antanosy) dia tsy manaiky ny tsindry hazolena, ary mitsipaka marin-drano ny fanamparam-pahefana miendrika fandrobana amin’ny fakana an-keriny», hoy Atoa Sazalahy Tsianihy, mpandrindra-paritry ny Toko be telo. « Mitaky ny fahamarinana izahay, ka aoka tsy hampiadianareo mpitondra izahay Foko Masikoro sy ny Antandroy, ary tsy ekenay ny fanjakana tsy refesi-mandidy, fa hajao ny lalàna. Tondro molotra ve no handrobana fananan’olona », hoy ny Kolonely Fanapera (manamboninahitra ambony nisotro ronono), mpikamban’ny FIMA (Foko Masikoro Arivolahy). « Tsy miaro an’iza an’iza izahay, fa rehefa mpangalatra sy diso dia sazio fa tany tan-dalàna i Madagasikara. Tsy ekenay kosa ny fandravaravana fahatany ny ombin’olona madio », hoy Atoa Soatahy filohan’ny FITEA (Fikambanan’ny Teraky Androy). « Izahay mpitondra ara-drazana aty ifotony no mahita ny zava-misy tena marina, ka mba henoinareo mpitondra fanjakana izahay », hoy ny Hazomanga (Raiamandrenibe) Mandaso Marin.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici