Omby 15 niaraka tamin’ny ondry enina no nalain’ny andian-dahalo nirongo basy sy zava-maranitra tao amin’ny tanana iray antsoina Ifarantsa, kaominina Beraketa, ny faran’ny herinandro teo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary dia ny harivan’ny alahady teo, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany hariva tany no tonga tao amin’ity tokantrano iray ity ireo dahalo, izay nahatratra hatrany amin’ny valolahy tany ho any. Tsy vitan’ireo biby fiompy ihany no nalain’ireo andian’olon-dratsy tamin’ny fanafihana nataony fa nentiny nanaraka azy ireo ihany koa ilay rangahy tompon-trano. Rehefa nahare ny vaovao ireo zandary tany an-toerana dia nanara-dia avy hatrany nampian’ireo mpitandro filaminana avy amin’ny Usad (vondron-kery miady amin’ny asan-dahalo). Tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Analalava, Sambalahy, ilay miakatra mihazo an’Andriry iny no nifakantratra ireo mpanenjika sy ireo nohenjehina. Raikitra avy hatrany ny fifandonana, saingy tsy nahaleo tosika ireto mpitandro filaminana tsara ofana ireo andian-dahalo. Hany herin’ireto farany dia nanampatra ny hatezerany tany amin’ilay takalon’aina, izay noratrainy sy novelesiny tamin’ny famaky ary navelan’izy ireo teo, niaraka tamin’ireo biby fiompy nangalarina. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ity farany ary nahazo fitsaboana.
m.L