Tokantrano iray tetsy Ampitatafika no lasibatry ny asan-jiolahy, ny alarobia lasa teo. Ramatoa lehibe iray no namoy ny ainy vokatr’izany. Lasan’ireo nahavanon-doza ny entana sy ny zavatra sarobidy tao an-trano. Ny alarobia lasa teo no nisy nahatsikaritra izay toe-javatra izany ary ilay ramatoabe efa vatana mangatsiaka sisa no hita tao. Raha ny fantatra mantsy, dia izy irery no tao an-trano tamin’io fotoana io. Tsy nisy naheno mihitsy araka izany ny zavatra nihatra taminy. Ny trano nihidy nandritra ny tontolo andro no nanaitra ireo manodidina azy, izay tsy fomban’io ramatoa io velively. Rehefa nezahana nidirana moa tao dia ilay vehivavy lehibe nitsitra teo am-povoan-trano, efa tsy nisy aina intsony, no nitsena ny rehetra. Manginy fotsiny ny fikorontanan’ny entana. Nampandrenesina avy hatrany teo ireo mpitandro filaminana ka tonga teny an-toerana. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa hoe maty novonoina ity ramatoa ity. Nokendaina tamin’ny tapa-borodamba izy ary tsy navelan’ireo tsy valahara raha tsy tapitra ny ainy. Taorian’izay vao nanararaotra nibata sy naka izay zakany ireo olon-dratsy ary nitsoaka. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ny zandary misahana iny faritra iny ary efa eo am-pikarohana izay mety ho nahavanon-doza, raha ny fanazavana azo.
m.L