Nanamarika ny faha 30 taona nisiany ny Fifata na Fikambanana Fampivoarana ny Tantsaha. Ny 29 Septambra 1989 no daty niorenan’ny Fikambanana voalohany ka teto Vakinankatra sy ny faritra Amoron’Imania no niantombohany izay nahitana mpikambana 400 tamin’izany. Ankehitriny, efa mananika ny 3 hetsy ny mpikambana ao anatin’ny tokatrano tantanam-pianakaviana miasa amina faritra 11, ary ahitana fikambanana 6000 sy vondrom-pikambanana rezionaly 11. Tsy nitsaha nitombo ny mpikambana ka taty aorina dia nisy ny zotram-pihariana izay miisa 22. Mazava fa ny fampiroboroboana ny seha-pamokarana eny amin’ny tontolo ambanivohitra no anto-pisian’ny Fifata. Noho izany indrindra no nisian’ny atrikasa maro mahakasika ny seha-pamokarana tantanam-piankaviana nentina nanamarika izao faha 30 taona nisian’ny Fifata izao. Heferana no faharetan’ny fanamarihana izay nantomboka ny Alatsinainy 9 Septambra teo ka ny Alorbia no ivon’ny fankalazana izay nametrahana ny tsangam-bato. Vinan’ny Fifata ny hampitombo ny vola miditra ho an’ny tantsaha sy ho matianina eo amin’ny famokara-tantanam-pianakaviana maro ireo tantsaha no efa matianina ary mahaleo tena ara-tsakafo, manana ny amby ampy sy mampiasa fitaovana vaventy ho enti-mamokatra. Isan’ny tolo-draharaha voalohany napetraky ny Fifata ny Cecam, ankoatra izay raha ho an’ny eto amin’Antsirabe manokana dia misy ny Ceffel, famokarana hazo fihinam-boa eny Andranobe. Isan’ny paikady ho enti-mahatratra ny vina ny fanofanana mpitarika eny ambanivohitra antsoina hoe Formation Leader Paysan na FLP sy ny Cap Malagasy teknisiana mpanolo tsaina ireo tantsaha. Ny eo amin’ny resaka fananan-tany dia ny SIF. Ny FERT, fikambanana ao Frantsa no mpiara miombon’antoka sy manohana ny Fifata hatramin’izay 30 taona nisiany izay.
Andry N.
Antsirabe : Feno 30 taona ny FIFATA
Articles qui pourraient vous intéresser