Miisa enina ireo olona nosamborin’ny zandary teny amin’iny faritra Ambohijanaka iny, izay voarohirohy ho ao anatina tambazotra mpanao fanafihana mitam-piadiana nifanesisesy teny an-toerana. Ny efa-dahy hatreto no fantatra fa isan’ireo tompon’antoka amin’izany ka ireo nadoboka any am-ponja vonjimaika ireo, ny sisa hafa kosa dia nomen’ny teo anivon’ny Fampanoavana fahafahana vonjimaika. Raha ny fampitam-baovao azo dia niainga tamina fahitàna entana mampiahiahy misy fitaovam-piadiana sy zavatra maromaro nisy nametraka tao amina toeram-pivarotana sakafo teny an-toerana ny fanadiahadiana rehetra, ny zoma lasa teo. Basy vita gasy anankiroa niaraka tamin’ny tranom-bala sy bala vitsivitsy, niampy entana maro samihafa no hita tao anatin’izany. Natao ny fanadihadiana ka fantatra fa entan’olona voatafika andro vitsy talohan’io ireo entana hita ary an’ireo mpanafika ireo basy sy bala. Nitohy miandalana ny fanadihadiana ka fantatra teo ny tompon’ireo basy ary nosamborina teny amin’iny faritra 67ha iny. Ity farany indray moa no nanoro ireo mpiray tendro aminy izay nosamborina ihany koa teny amin’iny faritra Andohatapenaka sy Soavimasoandro iny ary teny Ambohijanaka ihany. Dimy lahy no totalin’ireo voasambotra hatreo. Nitohy ihany ny fanadihadiana ka niantefa tany amin’ireo olona efa mpandray ireo entana halatra indray ny fisamborana. Tafakatra enina mianadahy teo ny isan’ireo olona nanaovan’ny zandary teny Andoharanofotsy famotorana ary ireo nampiakarina teny anivon’ny Fampanoavana ireo, omaly. Raha ny fantatra dia mbola nisy naman’izy ireo miriaria any, izay efa tafatsoaka tany amin’iny faritra Bongolava iny ary mbola karohina fatratra amin’izao.
m.L